Fikambanana Silamo eto Madagasikara – Nesorina tsy ho mpitantana i Abdoul Had

Franck Razakambelo

Manainga ny mpino Silamo sy ny fikambanana Silamo ary ny Moske rehetra ny komitin’ny Loholona, sy ny olobe Silamo, mba tsy handray baiko intsony avy amin’Andriamatoa Abdoul Had, Filohan’ny FSM: Fikambanana Silamo eto Madagasikara teo aloha, satria tsy mitantana ny finoana Silamo intsony ity farany manomboka izao, hoy izy ireo.

Nanazava Andriamatoa Nantenaina Branco, mpitondra tenin’ny Fikambanana Silamo, fa mifanipaka amin’ny soa toavin’ny mpino Silamo ny fitondrantenan’Andriamatoa Abdoul Had, tao anatin’izany ny fanagadrana mpino Silamo miisa 33 tany Fenerive Est, faritra Analanjirofo tamin’ny taona 2020 lasa teo, ny fanagadrana mpino Silamo miisa 11 tao Ambanja, nampifandonana mpino tao amin’ny Moske miisa 2 tao Ambanja, ka nahatapaka ny tanan’ny olona miisa 4, nampisara-bazana fiarahamonina tany Vohipeno sy Manakara any amin’ny faritra Vatovavy fitovinany, nitory ny filohan’ny Moske ao 67 Ha Andrefana, miaraka amin’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny Moske miisa 8, ka amin’ny 18 Janoary 2021 ho avy izao ny fitsarana an’ireto farany etsy Anosy. Nitory ny mpiambina Moske etsy 67 Ha any amin’ny BC, tamin’ny alarobia lasa teo ihany koa Andriamatoa Abdoul Had.

Nanohy ny mpitondra tenin’ny fikambanana Silamo, fa nitsangana ny komitin’ny Loholona sy Olobe Silamo niezaka nampihavana an’ Adriamatoa Abdoul Had no sady nampiantso an’ity filohan’ny FSM ity kanefa tsy namaly ny antso ity farany ary tsy nanaiky nampihavanina. Nanapa-kevitra ny komitin’ny olobe Silamo hanatitra antontan-taratasy eny anivon’ny fitondram-panjakana isan’ambaratongany hanaisotra an’i Abdoul Had, tsy ho filohan’ny fikambanana Silamo intsony eto Madagasikara ary hanafoana an’ilay “Recepisé” miisa 2, izay nampifanolana ny mpino Silamo eny anivon’ny “Conseil d’Etat”.

Nanazava Andriamatoa Nantenaina Branco, fa ny komitin’ny Olobe Silamo no hitantana vonjimaika ny fikambanana Silamo mandra-pahatongan’ny fifidianana filoha vaovao. Namarana ny fanehoan-keviny Andriamatoa Nantenaina Branco, fa mitsipaka tanteraka an’ireo olona tsy mety ampihavanina ny soa toavin’ny Silamo sy ny maha Mahagasy ary ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Houdjouraty andininy faha 49 dia milaza fa: “Raha miady ny andiany ao amin’ireo mpino dia aoka ianareo hampihavana azy ireo raha miteny ny anankiray amin’izy ireo hanohitra hafa dia aoka hianareo hiady amin’ilay mikomy, mba hanarahany ny Didin’Andriamanitra. Fa raha manaraka an’izany izy dia hampihavanina am-pamarinana ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa tia ireo mpanao ny rariny Andriamanitra”.