Amin’ny 9h30 ka hatramin’ny 11h30 – Manongilan-tsofina mihaino Miara-Manonja ny maro

Isambilo

Fanindroany omaly izao no nisy ny fandaharana Miara-Manonja, amin’ireo onjampeo maromaro eto an-drenivohitra ary manapariaka an’izany ihany koa manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, sy amin’ny alalan’ny satelita ihany koa.

Manapariaka izany fandaharana ilazana ny marina ny rehetra ezahan’ny fitondrana afenimpenina izany, ny onjampeo tsy miankina miisa 5 amin’izao fotoana izao aloha dia : ny MBS Radio : FM 95.4 Mhz ; ny Radio Mada : FM 100.8 Mhz ; ny AZ Radio : FM 101.8 Mhz ; ny IBC Radio : FM 90 Mhz ary ny Soa Radio : FM 96.8 Mhz. Mety mbola hiampy onjampeo hafa ireo, fa ireo aloha no Miara-Manonja mamotsipotsitra ny lainga rehetra ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana ary milaza ny marina sy ny rariny, mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka, izay tena tompon’ny fahefana amin’ny fitondrana demokratika.

Manentana izany fandaharana izany ireo mpanao gazety matihanina avy amin’ireo onjampeo ireo, ahitana ny mpanao gazety ministra teo aloha : Andrianjato ; ny depiote mpanao gazety Fidèle Razara Pierre ; ny mpanao gazety Joël Ralaivaohita sy Riana Rabemananjara, Didier Rakotoarisoa ; ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, sy Alain Ratsimbazafy, ary Gerry Randriambolaina, ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno ;… Mbola ho avy ihany koa ny maro hafa, na mpanao gazety, na depiote, na mpanao politika, na avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, na mpandraharaha, na olon-tsotra, sy ny maro hafa,… hilaza ny marina sy ny zava-misy eto amin’ny firenena, tsy ny eto an-drenivohitra ihany, fa ny any rehetra any mihitsy, manerana an’i Madagasikara.

Nanditra izay 2 andro efa nisian’ny Miara-Manonja izay, tsapa fa manongilan-tsofina mihaino izany avokoa ny rehetra, tsapa izany eny ambonin’ireny fitateram-bahoaka taxi-be ireny, mandritra ny ora 2, amin’ny 9h30, ka hatramin’ny 11h30 ny zoma teo sy omaly alatsinainy dia ny iray amin’ireo onjampeo 5 ireo avokoa no nohenoin’ny rehetra. Ao aorian’izay, mandeha ny ady hevitra eny rehetra eny mahakasika ny zavatra rehetra voalaza tao amin’io fandaharana io. Tsiahivina fa isan’andro no hisy izany fandaharana izany, ny alatsinainy, ka hatramin’ny zoma.