Saropady ny volamena amintsika Malagasy, ka tsy azo vazivaziana

Ny Valosoa

Mbola ilay resaka volamenantsika malagasy tratra tatsy Afrika Atsimo ihany aloha izao no vaovao mahaliana ny vahoaka malagasy, satria goavana loatra izany 73,7 Kg izany, sady izay indray vaovao nentina nisantarana ny taona vaovao ity tranga manala baraka ny firenena ity.

Sahirantsaina tanteraka ireo mpitondra, hany ka samy mamoaka fanambarana izay hita hoe mifanipaka sahala amin’ny atsimo sy avaratra ny feo mivoaka, malaza ho tranon-dainga ny mpitondra amin’izao fotoana izao, saingy ny mampihomehy araka ny fitenin-jatovo, dia tsy mahay mandainga satria tsy mifameno ny lazain’izay mahazo fitenenana, fa dia hita miharihary fa mifamono tsotra izao.

Ny teny masaka ao an-dohan’ny fitondrana dia ny hangataka ilay « extradition » na ny fanomezana alalana avy amin’ny fitsarana any Afrika Atsimo hitsarana ny raharaha eto Madagasikara.

Tamin’ny alahady 10 Janoary 2021 teo dia noraisin’ny Minisitra miadidy ny Raharahambahiny, ny Masoivohon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto amintsika, ka ny votoatin’ny fihaonana dia fanolorana ny antontan-taratasy fangatahana ny fampodiana ny volamena 73,7Kg, sy ny hamotsorana an’izy 3 lahy voatana any an-toerana hody aty an-tanindrazana, ka ny fitsarana malagasy no hitsara azy ireo.

Ny vaovao miparitaka amin’ny fitaovan-tserasera samihafa dia ny fisian’ny fiaramanidina manokana na « jet privé » niala teny Ivato omaly alatsinainy 11 Janoary 2021 maraina, voalaza fa misy « VIP » avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika sy mpahay lalàna goavana tao anatin’ilay fiaramanidina, ka ny tanjona dia ny haka an’izy 3 lahy boto faniraka tamin’izao raharaha izao.

Mikasika ny fampodiana an-tanindrazana ny bolongam-bolamena dia tsy iadiankevitra izany fa tokony hatao, ary na tsy takiana aza izany dia tokony ho mandeha ho azy, kanefa tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana, fa aely indray ny feo izay manambara fa orinasa Maliana hono no tompon’ilay volamena , koa azo antoka ny tanjona tiana ahatongavana amin’ny fitanisana izany, dia ny tsy hampody ilay bolongam-bolamena eto Madagasikara , kanefa ihany koa dia tokony ho hentitra ny fitsarana any Afrika Atsimo satria ny seranampiaramanidina malagasy izany dia lalana fandalovan’ireo mpanondrana antsokosoko, raha izay no izy. Tsy izay anefa no izy fa tena antsika eto Madagasikara ireo volamena ireo satria mifanipaka be ihany araka ny voalaza tery ambony ny lazain’ireo tompon’andraikitra, ka izay fifanoherana izany dia mampivoaka ny tena marina.

Fomba tsy maintsy atao ny mitaky ny fampodiana ny entana, fa tsy izay no mahamaika ny mpitondra, fa ny hampody ireo teratany malagasy roa sy hanao ny fitsarana eto Madagasikara, mba hahazoana mamilivily ny marina, satria efa mazava sy vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora, fa matoa tafavoaka teny Ivato ny bolongam-bolamena dia efa fomba fanao miverimbrina io sady olona manana fahefana goavana no tao ambadik’izao raharaha izao ary ny fikoropahan’ireo manana andraikitra rehetra dia manaporofo ny hoe : « hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha ».

Anio 12 janoary 2021 no andro voatondro, fa hanaovana ny fitsarana azy roalahy tompon’entana tratra tany amin’ny Seranampiaramanidina Oliver Tambo tany Johannesburg, dia ho hita eo izay lanjan’ny fitsarana afrikana tatsimo, hijoro amin’ny maha firenen-dehibe indrindra aty Afrika azy ve ny fitsarana afrikana tatsimo, ka hanome lanja izany hoe fitsarana any amin’ny tany niavian’i Nelson Mandela izany, sa hiray tsikombakomba amin’ny fitondrana malagasy hanafina ny marina. Fa ho an’ny mpitondra malagasy kosa dia tsy tongatonga ho azy izao tranga izao, satria ny volamena dia manana ny hasiny ho antsika malagasy, koa asakasak’izay minia manao ny tsy mety eto amin’ity firenena ity satria mananjina loatra ny volamena. Ny ranom-bolamena dia fanalana ny ota fady, fanaovana voady fa tsy hivadika amin’ny zavatra nifanarahana,…