ILAY AFERAM-BOLAMENA

Vao mitsidika ny taona, vita ny fiarahabana,
Dia ny aferam-bolamena no malaza eto an-tanàna.
Vay an-kandrina izy ity, tsy mbola nisy toy izany
Ka dia indro aty indray ny mason’olona eran-tany!

Tsy hoe zavatra madinika fa afera tena maizina,
Ka izay olona nanao dia tena mendrika hofaizina.
Saingy hatreto, toy ny moana ny mpitondra eto amintsika.
(Soa fa tsy mba toy izany ny ao atsimon’i Afrika!)

Tsisy hatreto “loha nihintsana” na mba olona voatana,
Ary ahiana fa hihitsoka ny tontolom-pitsarana,
F’efa tazana sahady irony tsindry tsy mijanona,
Entina mba hanavotana an-dry ranona sy ranona!

Tsisy koa ny olo-ngeza mba nametra-pialana,
Toy ny zavatra fahita ny amin’ny “tranga mafampana”,
F’eto Madagasikara, misy hevitra voarindra,
Dia ilay hoe: “fitiavan-tseza, izay no lehibe indrindra”!

…Indro andrasan’ny rehetra izay ho tohin’ny tantara.
Mbola tany tan-dalàna ve i Madagasikara?
Maro mantsy no manahy sao very an-tsavony eto indray,
Ny afera maizina toy izao izay efa mahazatra anay!

DADAN’I ZINA (08-01-21)