DIA HANGINA VA IANAO?

FFKM 2020 - Razanakolona Odon - Irako Andriamahazosoa Ammi - Ranarivelo Samoela - Rakotozafy Denis

Dia hangina va ianao no sady mbola hikombom-bava,
Nefa tokantrano maro no efa mandry fotsy lava?
Mila tsy hahavidy intsony hatramin’ny vary iray kapoaka,
Noho ny ataon’ireo mpitondra tsy mitsinjo ny vahoaka!

Dia hangina va ianao, tsy mbola maika hamonjy lisitra,
Nefa i Madagasikara sasatry ny miady gisitra?
Amin’ny sehatra rehetra dia tsy misy ny mangirana,
Fa dia rambony eny foana, tsy mahita andro mirana!

Dia hangina va ianao ry tia mitonona ho mpivavaka,
Nefa anie ity nosinao toa mihamilentika any an-davaka?
Azo ambara tsotr’izao fa efa resy sy mivarina,
Noho ny ataon’ireo mpitondra, tsy mahitsy sy tsy marina!

Dia hangina va ianao mitonona ho nandia fianarana,
Nefa anie ny adintsika, ady mbola tsy mifarana!
Ady mafy sy mitohy, ho tombontsoan’ny taranaka,
Handavoana ireo mpitondra, kilalaon’ireo mpanjanaka!

Dia hangina va ianao no sady mbola hihalangalana,
Nefa hita ny mpitondra f’efa tena diso lalana?
Tonga ny ora, mitsangàna, ry nahatsiaro fa nomena.
Indro i Madagasikara, tena miandry manantena!

Dia hangina va ianao? baraingo no indro fa apetraka,
Manoloana ireo mpitondra, jiolahy mpihetraketraka!
Eny, mety hoe hangina, saingy mandra-pahoviana?
Miandry anao ny firenena ka tandremo sao variana!

DADAN’i ZINA (07-01-21)