MILA MIOVA VAO MANOVA

Mila miova vao manova ...

Ny hanova, ny hanova, izay no ambentin-teninao,
Fa ny hiova, ny hiova, tsy hainao ve Rabelazao?
Aleo tenenina mahitsy, aleo tenenina mazava,
Fa dia tena ianao ilay hoe “mpitari-bato vilambava”!

Tsy mivonona hiova, tsy mba miezaka ho modely,
Fa dia faly hampanantena sy hifanahim-boaikely!
Hevi-dratsy, valifaty no nanjaka tato ho ato.
Tena ontsa anao ny fo ka saino ry mpitari-bato!

Aza faly hirehareha ny hoe hitondra fanovàna,
Fa miovà mba ho fitaratra dieny ety am-piaingana.
Ianao ilay miova, izay aloha no tena maika ka fantaro,
Avy eo, tsy sarotra ny hanova, fa hanaiky anao ny maro!

… Raha izany dia tsarovy, misy dingana voafaritra.
‘Ndeha jereo “ny mahasoa”, avy eo vao “ny mahafinaritra”.
Toy izany koa, fantaro, mila anao mba miova aloha,
Avy eo vao miezaka hanova, ilay ilay tena hoe filoha!

DADAN’I ZINA (10-01-21)