Fiainam-pirenena sy haino aman-jery – Raikitra ny “Miara-manonja”, misamboaravoara ny sambo

Ny Valosoa

Fomba fiadin’ireo haino aman-jery mitovy fijery ny manao fandaharana iraisana mandeha amin’ny onjampeo samihafa , iray amin’izany ny “ Miara-manonja “, izay nanomboka tao amin’ny “ Mbs Radio” tamin’ny taona 2002, fotoana nitakiana ny fahamarinana tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’izany fotoana izany. Nahomby tokoa io fomba fiady io satria sady mampitombo ireo sofina maheno, no manankarena ara-kevitra ilay fandaharana, noho ny fisian’ireo mpanao gazety efa samy manana traikefa avy amin’ny onjampeo samihafa, manambatra ny fahaiza-manaony, ka miteraka fifamenoana , ny mpihaino no mahazo tombony mihoa-pampana ary mivoaka ho azy ny tena fahamarinana, fa ireo mpanampatra fahefana sy mpanosihosy ny lalàna kosa mahatsiaro ho sahirana sy very hevitra, toy ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana.

Araka ny efa nambara dia tamin’ny taona 2002 no nisy ny ”Miara-manonja “ voalohany, tamin’ny taona 2018 nisian’ny hetsik’ireo depiote 73 dia nisy ihany koa ny “Miaramanonja”, ka ireo onjampeo mpomba an-dRajoelina no maro an’isa tamin’ireo mpandray anjara, nisy ihany koa onjampeo vitsivitsy mpomba ny Filoha Ravalomanana tao, tsy dia nampaninona raha nampiasaina ilay anarana hoe “Miara-manonja “, satria nisy zanak’i Dada niteny tao. Ny voalohan’ny taona 2019 nitakiana ny marina momba ny fifidianana filohampirenena 2018, dia nisy indray ny fiarahan’ireo onjampeo maro, saingy “Miara-mampita” no anarana nisalorany.

Ny 05 Aprily 2020, ampitson’ny nampidirana am-ponja an’i Rahelisoa Arphine, Talen’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao dia nisy ny fiaraha-mientan’ireo mpanao gazety tsy manaiky lembenana, nifamotoana teny amin’ny foiben’ny “Mbs Radio”, nanao fandaharana niarahana, “Miara-manonja “avy hatrany no nampiasaina, satria mila miverina madiodio amin’ny tompony ilay anarana , tsy iza no tompony fa ny mpiaradia amin’ny Filoha Ravalomanana.

Nisy ny hamehana ara-pahasalamana nangejana ny fahafahan’ny onjampeo, efa foana izany ankehitriny ary efa malalaka ny fanehoan-kevitra amin’ny onjampeo, ka dia nanapa-kevitra ireo onjampeo mitovy fijery manoloana ny raharahampirenena , fa iara-hanambatra indray ny feo amin’ny “Miara-manonja “, nanomboka omaly 8 Janoary 2021, mbola visivitsy no nandray ny fiaingana, fa ny antenaina dia hitombo andalana toy ny dian’Andriana ireo mpandray anjara, isan’andro no hisy ity fandaharana “Miara-manonja” ity, manomboka amin’ny 9h30, ka hatramin’ny 11h30 maraina, amin’ny onjampeo AZ Radio, MBS Radio, IBC Radio, Soa Radio ary ny Radio Mada.

Vao ny andro voalohany nisian’ny “Miara-manonja “ dia efa nifantoka tany avokoa ny sofin’ny ankabeazan’ny malagasy, satria ireo solombavambahoaka avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) no vahiny voalohany tao, nanatsikafona ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanamparam-pahefana ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena ataon’ireo mpitondra nandresy tamin’ny hosoka, izay tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina.

Tsy ivalamparana eto ny mamerina izay voalaza tao, fa dia manomboka izao dia ataovinao olompirenena tia firenena ho fahazarana ny manaraka ny “Miara-manonja “ isaky ny Alatsinainy hatramin’ny Zoma amin’ny 9 ora sy sasany maraina, ka hatramin’ny 11 ora sasany atoandro. Ny mpomba ny fitondrana koa tsy ferana fa tsy maintsy mihaino, mahery fihavy ny onja ka misamboaravoara ny sambo entin’ireo mpandroba fahefana , izay tsy maintsy hiafara amin’ny fahavakisana sy ny faharendrehana…