Ravalo sy ny TIM boriborintany I – Taonan’ny fahasahiana hananganana firenena vanona ny 2021

Helisoa

Vory lanona tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny boriborintany voalohany toy ny: DISTIM, ny Foktim ary ireo rantsana eny amin’ny fokontany (secteur ), nandritra ny fifampiarabana tratry ny taona teo amin’izy ireo, sy ny depiote voafidy tao anatin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra, Me Hanitra Razafimanantsoa. Tonga nanotrona azy ireo tamin’izany ny birao politikan’ny antoko TIM, notarihin’ny filoha nasionaly, ny filoha Marc Ravalomanana, ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, sy ireo mpikambana ao anatiny ary ny solontenan’ny solombavambahoaka, ny kestora Mamy Rabenirina.

Taonan’ny fahasahiana sy taonan’ny fanamby ity taona ity, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Mila miray hina ny TIM hoy izy, fa hanangana Firenena vanona ary tsy maintsy ho azontsika ny tany vaovao. Tsy hatao hira faneva fotsiny ny hirantsika iny, fa hatao asa ho amin’ity taona ity. Mila arindra tsara ny organization, na fandaminana, hoy i Dada ary hamafisina ny firaisankina, ka rehefa tonga ny fotoana dia miainga isika”.

Mbola ireo tomponandraikitra isaky ny rafitra ifotony rehetra no nihaona tao amin’ny QG Belair, ka ireo no hampita ny toromarika any amin’ny mpikatroka rehetra manerana ny boriboritany, araka ny nambaran’ny solombavambahoaka, Me Hanitra Razafimanantsoa. “Na inona na inona fandikan’ny sasany izany dia izay no izy” hoy hatrany ity solombavambahoaka ity raha nandray fitenenana izy. “Tsy avelantsika ho viraviraina toy izao ny Firenena”. Vonona ny Tiako i Madagasikara eto amin’ny Boriboritany voalohany ary aorian’ny Filoha Nasionaly Marc Ravalomanana hatrany amin’ny zavatra rehetra, hoy ity olom-boafidy ity.

Ankoatra izay, na fety fifampiarahabana tratry ny taona aza no natao dia nahitsy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa nanambara, fa natao ankilabao sy zanak’ikalahafa ny boriboritany voalohany tamin’ny fitrangan’ny valan’aretina coronavirus teto amin’ny firenena, fa tsy mba nahazo izay tosika fameno sy tosika samihafa, nefa volambahoaka notrosaina tany amin’ny mpamatsy vola no nampiasaina tamin’izany. Eto aho dia manamafy ihany koa hoy Me Hanitra Razafimanantsoa, fa ny fanjakàna Andry Rajoelina no tompon’andraikitra voalohany nampiditra ny valanaretina CORONAVIRUS nampitondra faisana ny Malagasy, tamin’ny tsy nanidiany ny sisintany ara-potoana, na efa nangataka izany aza ny filoha Marc Ravalomanana. Taorian’izay dia tsy nitazam-potsiny ireo mpikatroka TIM ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, fa nisy ihany koa ny fanomezana miendrika nofonkena mitam-pihavanana natolony ho an’ireto tomponandraikitra eny ifotony ireto.