Fiainam-bahoaka : miverina ny andron’ny fitomaniana

Andry Tsiavalona

Ny taona 2009 sy ny taona 2019 dia samy miafara amin’ny isa “9” ary samy taona niandohan’ny fitondran-dRajoelina Andry avokoa. Ny voalohany dia fitondrana norombahina tamin’ny fampiasana basy aman-tafondro, fa ny faharoa kosa dia azo lazaina fa tamin’ny fomba demokratika ihany, satria nisy ny fifidianana fa fifidianana tao anatin’ny hosoka, ka ny didy tsy azo ivalozana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), no nametraka azy eo amin’izao fitantanana ny Firenena izao.

Hiloko lokom-boasary avokoa ny andrimpanjakana rehetra ary miverina ny “revolisiona loranjy” (Révolution orange) satria maro an’isa ny “Isika Rehetra miaraka amin-dRajoelina” (IRD, na IRMAR) hatraiza hatraiza, amin’ny ambaratongam-pitondrana rehetra. Nisy ihany ny fiaraha-mitantana tamin’ny tetezamita satria nisy TIM tao amin’ny Mpanolotsaina Ambonin’ny Tetezamita (CST) sy ny Mpanolotsainan’ny Tetezamita (CT) ary tao amin’ny governemanta. Amin’izao fotoana izao dia ao amin’ny Antenimierampirenena no misy mpanohitra, TIM, fa tsy manana Loholona na mpikambana tao amin’ny Fahefana Ambonin’ny Tetezamita (HAT), na tao amin’ny Governemanta ny TIM. Midika izany, fa Rajoelina Andry sy ny mpiara-dia taminy no nanjaka sy manao izay nety taminy teto amin’ity Nosy ity araka ny filazan’ny mpanolotsaina manokana ao amin’ny fiadidiana ny prezidansy indray andro izay.

Tsapa ihany koa fa miverina tsikelikely kanefa tsy hay tohaina ny tranga rehetra nanahirana teo amin’ny sehatra rehetra tamin’ny andron’ny tetezamita. Eo amin’ny resaka fifidianana dia ny filohan’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) tamin’ny tetezamita no filohan’io andrim-panjakana io amin’izao fotoana izao. Ny sekreteram-panjakana miandraikitra ny zandarimaria tamin’ny tetezamita no mitazona io toerana io izao. Miverina ihany koa ny fomba fanao nandritra ny tetezamita, ka nosamborina sy nampidirina am-ponja izay olompirenena nanelingelina sy nampangaina ho nanozongozona ny fitondrana. Tsy nandry fahalemana ny valalabemandry satria nanjaka ny dahalo sy ny jiolahy, tsy tany an-tsaha ihany, fa hatreny ambony latabatra. Tratra ireo harem-pirenena naondrana tany amin’ny firenen-tsamihafa kanefa dia tsy nisy tohiny ny fanadihadiana natao momba azy ireny, ka amin’arivo tapitrisa dolara maro no very tamin’izany. Ny zavatra heno anefa dia nisy ny nanan-karena tamin’ny fomba tsy dia mazava loatra tamin’izany fotoana izany. Teo amin’ny sehatry ny fihariana indray dia aman’hetsiny maro no very asa satria maro ireo orinasa afaka haba no nikatona noho ny tsy fisian’ny antoka matotra nanoloana ny fandrobana nahazo laka. Teo amin’ny sehatry ny fanabeazana indray dia maivan-danja ny fahalalana noratovin’ny mpianatra malagasy. Nampanantenaina ny “tramway” ho fitaterana an-tanàn-dehibe kanefa na lalamby iray aza tsy nipetraka ary tsy nisy tohiny intsony tao anatin’ny dimy taona naharetan’ny tetezamita.

Mitsingerina ao an-tsaina vaokoa ireo tranga rehetra ireo rehefa nisy ireo bolongam-bolamena fitopolo kilao mahery sarona tatsy Afrika Atsimo. Efa nisy volamena saika naondrana tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato saingy ny mahagaga dia grama maromaro izany, fa tsy amam-polony kilao maro tahaka izao. Tany amin’ny fadin-tseranana tany ivelany ihany koa no tratra ireo harena malagasy. Toy ny amin’izao fotoana izao dia tsy nisy tomponandraikitra tamin’izany fanondranana antsokosoko izany ny minisitera voakasika. Nitaky ny mangarahara ny mpanohitra tamin’izany saingy famoretana no setriny. Toy ny tamin’ny tetezamita ihany koa dia andatsahana baomba mandatsa-dranomaso sy samborina izay manao fihetsiketsehana mitaky ny zony. Tsy nijanona any amin’ny faritra Atsimo intsony ny asan-dahalo, fa efa mirongatra aty amin’ny tapany Avaratry ny Nosy amin’izao fotoana izao. Tsy mionona amin’ny halatra intsony ny jiolahy, fa manolana sy maka takalon’aina ary mandatsak’aina ihany koa. Mahazo laka ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fifamoivoizana sy fitaterana, eo amin’ny sehatra rehetra mihitsy, satria ny ataon’ny mpitondra ihany no alain-tahaka.

Marina ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy manao hoe: “Raha adala loholona, dia adala vahoaka”.