Raharaha volamena 73,5kg – Maro no tokony ho voasazy sa samy tsy maty manota daholo?

Ny Valosoa

Manjavozavo ny raharaha fatratrarana volamena 73,5kg naondran’ireto ‘ampondra’ telo lahy antsokosoko nampiasàna fiaramanidina iray izay niala tao Ivato ny 31 desambra maraina ary nihazo an’i Afrika Atsimo. Tra-tehaka tao amin’ny seranampiaramanidina OR Tambo tao Johannesbourg ireto ‘ampondra’ fa hanao ahoana kosa ny mikasika ireo tambazotra iray petsapetsa amin’ity kolikoly ity?

Nitsangana ny Antoko Politika Madio na ny APM ary nametraka fitoriana tao amin’ny Bianco. Novakian’ny APM bantsilana fa nisy ny tandrevaka avy tamin’ny ‘Aviation Civile de Madagascar’ sy ny ‘Service des douanes’ ka tokony hametra-pialàna ny talen’ireo sampan-draharaha ireo.

Nambarany fa tomponantoka amin’ny fanarahana ny entan’ny mpandeha sy ny mpandeha hivoaka ny sisintany, ny ACM sy Tour de contrôle tomponandriakitra amin’ny fanomezana halalana ny fiaramanidina rehetra hiainga, ny orinasa STA tompon’ny fiaramanidina 5R-ASB nitondra ny volamena, ireo olona telo nitondra ny volamena sy ireo olona roa tsy afaka niainga, ary ny tompon’ny volamena 73,5kg izay naniraka an’ireo olona dimy antsoina hoe ‘ampondra’.

Tsy nisalasala ny APM nilaza fa nanao kolikoly mivantana na ankolaka ireo sampandraharaha maro dia ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny ministeran’ny vola amin’ny fanomezana taratasy hahafahana mitrandraka sy manondrana volamena, ny service des douanes, ny Police de l’Air et des Frontières, ny Sécurité Aéroportuaire ao amin’ny Ravinala Airports.

Araka ny fanadihadiana ny zotra nataon’ny fiaramanidina Piper Cheyenne 5R-ASB dia ny alakamisy 31 desambra maraina tamin’ny 5 ora sy fahefany no niainga tao Ivato nihazo an’i Afrika Atsimo.ary tonga tamin’ny 11 ora. Niainga indray ny fiaramanidina tamin’ny 12 ora sy fahatelony ary tafaverina tao Ivato tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Diso araka izany ny vaovao milaza fa nijanona tao Toliara ny fiaramanidina, ary tsy ankiato ny sidina Antananarivo-Johannesbourg.

Andrasana izay ho tohin’ny raharaha fa hatreto aloha dia manjaka ny tsy maty manota raha tsy hilaza fotsiny ny fahanginana mikasika ny raharaha volamena 25,5kg tratra tao Maorisy ny volana Janoary 2019 na ny 15,24kg tratra tao Ivato.