Filoha Rajoelina – Mpanongam-panjakana miana-kendry

Ny Valosoa

Mpanongam-panjakana miana-kendry ny filoha Rajoelina, raha ny zava-nitranga teny amin’ny Lapan’i Mavoloha, nandritra ny fiarahaban’ireo andrimpanjakana azy mivady, nandritra ny fiarahaban’ny HCC sy ny CENI azy ireo. Nanambara nandritra izany ity filoha mpanongam-panjakana ity, fa tsy mitondra fandrosoana ny fanonganam-panjakana.

Raha tiantsika handroso ny firenena dia zava-dehibe ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika satria mampiorina ary mitondra mankany amin’ny fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka. Raha tiana handroso ary ho tratrarina ho isan’ny firenena mandroso indrindra isika, dia mila tazonina izay fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana izay.

Zavatra iray no ampiataiko, dia ny hoe raha tiana ho tratra ny fampandrosoana tiana hapetraka, raha tiana ho tratra ny PIB tombanana ho tokony hihoatra ny 4000 na 5000 dolara amerikana isan’olom-pirenena dia tsy maintsy mipetraka ary tsy maintsy hapetraka ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fifidianana. Vao tsy tratra izany ao anatin’ny fifidianana 4 mifanesy ho avy, dia sarotra ho antsika ny hanatratra ny fiakaran’ny harin-karena sy hampivoaka an’i Madagasikara ho sangany aty Afrika“, hoy izy.

Marina ny teniny satria fanonganam-panjakana nataony sy ny forongony tamin’ny taona 2009 no mampikorosy fahana ny firenena hatramin’izao. Mitana ny rambony eran-tany isika amin’izao fotoana vokatry ny tarazon’ny fanonganam-panjakanan-dRajoelina, sy ny tsy fahaizan’izy ireo mitantana.

Fanonganam-panjakana no nataony tamin’ny 2009, satria mbola tsy adinony ary nofy ratsy ho azy izany mankany New-York misy ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana izany, satria nambaran’ny rehetra tany tamin’izay fotoana izay izy, fa filoha “sans qualité”. Isika rehetra no samy mandika io fiteny Frantsay kely io dia samy hahatsapa fa izay no mampihitsoka ny firenena amin’izao fotoana.