EDITO 9 Janoary – Lakrimôzena – Izay voa dia voa, izay no fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Mbola misy tsy mahazo, sy miditra ao an-tsainy ihany, amin’ny fihetsika sy ny vokatry ny zava-misy ataon’ny manam-pahefana eto amin’ny firenena ity. Niaraha-nahita sy nandre tamin’ny haino aman-jery, ohatra, ny fitarainan’ireo mponina sy indrindra ny mpivarotra teny amin’ny manodidina ny arabe nanaovan’ny mpianatra hetsika avy ao amin’ny ENS Ampefiloha tamin’ity herinandro ity, ka nisian’ny fanapoahana entona lakrimôzena nalefan’ny mpitandro filaminana nanaparitahana azy ireo. Nitaraina ireo olona ireo fa nisy ny sempotra sy ny zazakely narovana, ary ny tsy maintsy nanakatona ny fivarotana. Moa atao hahagaga ve izany?

Aoka tsy ho hadinoina velively ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009 tamin’ny fanoheran’ireo vahoaka miaro ny ara-dalàna, ka nohenjehin’ireo mpitandro filaminana ireo ihany eraky ny tanànan’Antananarivo. Tsy nisy niasa saina na kely aza ireo tomponandraikitra notarihin’i Andry Rajoelina, sy ireo mpitandro filaminana ireo ihany, tamin’ny fanapoahana gazy lakrimôzena tamin’ny toerana izay tokony nasiana fanajàna na kely ihany aza. Teo ireo sekoly nisy mpianatra madinika nianatra tamin’izay, toy ny teny Tsiazotafo. Napoaka nanoloana ireny sekoly ireny izany entona manempotra izany, fa tsy nasiana hasiny mihitsy. Ny fanenjehana ireo mpanohitra ny fitondran’ny mpanongam-panjakana no nifotorana sy nahamaika, ny sisa ambinambin-javatra tsy mampaninona. Ary ny tena zava-doza, ny nitranga teny akaikin’ny hopitalin’ny ankizy teny Tsaralalana. Nandositra sy nohenjehina tamin’ireo lalana teny ihany koa mantsy ireo mpanohitra. Tsy fiheverana mihitsy na kely aza fa napoapoaka fahatany teny, tsy nasiana fisainana na kely aza ny gazy lakrimôzena. Dia ho atao hahagaga ve ary mbola misy mitaraina ireo mponina teny Ampefiloha manoloana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana amin’ny fanapoahana entona manempotra toy ireny? Tsy hisy hiasa saina aminareo izany e, fa efa ohatra be miharihary amin’ny tsy fivakiana loha ny lasibatra toy ireny ny tamin’ny taona 2009 ireny. Izay lasibatra any lasibatra, izay voa any dia voa na tsy misy idirany aza, fa izay manelingelina aloha tsy maintsy potehina alàna. Izay vokany any vokany. Izay no fomba fisainana sy fiasan’ity fitondrana ity.

Azo itarafana tsara ny fomba fitantanam-pirenena izany sy ny hanjo azy. Tsy amin’ny famoretana hetsika mitranga, fa na amin’ny asa tanterahiny ihany koa. Azo atao ny mihevitra, fa raha milaza hanao tetikasa goavana Rajoelina sy ny ekipany amin’ity taona ity, tsy maintsy hisy lasibatra ho voa mafy ao ambadik’izany. Iaraha-mahalala, fa ity fitondrana ity dia tsy mahay mitsinjo ny havia sy havanana miaraka, fa tsy maintsy misy hiangarany hatrany. Toy ireny tamin’ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka tao anaty krizy mafy, tamin’ny ara-pahasalamana ireny, izay nisy vahoaka voailika tsy nivakiana loha, tsy nasiana teny na kely aza. Fitondrana Rajoelina, tsy mahay mitantana vahoaka ho amin’ny fampitoviana ny rehetra tsy ankanavaka.