Trafikana volamena – Fantatra ny anaran’ireo nanondrana volamena 73,5kg an-tsokosoko

Zava Herimanana Anjaranantenaina, Francis Deliot Regasy, ahamodo Mahavanona

Aly

Resabe hatramin’izao eto amin’ny firenena ilay trafikana volamena mavesa-danja ihany, nefa tsy hita ny nivoahany teto amintsika. Tsy nahita izany ny ladoany, ny polisy mpiandry sisintany, ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany,…

Ny fahitan’ny maro azy, misy tsikombakomba avo lenta amin’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena, matoa tafavoaka izany harena sarobidy mavesa-danja izany. Ary mety tsy ireo tratra ihany no ambadik’izao raharaha izao, fa misy olona ambony mpaniraka, izay irian’ny maro koa no hahafantarana sy ny hisamborana azy ireo.

Ankoatra izany, fantatra amin’izao fotoana ny anaran’ireo nanondrana an-tsokosoko ireo volamena 73,5 kg ireo, ka sarona tao amin’ny seranam-piaramanidina Oliver Tambo tany Johannesburg Afrika Atsimo.

Ireo 3 mirahalahy tratra tany Afrika tsimo dia: Zava Herimanana Anjaranantenaina, Francis Déliot Regasy, ary Mahamodo. Ireo tsy afa-niainga taty Madagasikara kosa noho ny vesatr’ireo entana dia Yau Cyrille Iasimanana sy Lala Iandry Nirina Rasamoelina.

(Sary VOLAMENA: Ny santionan’ireo volamena naondrana an-tsokosoko tratra tany Johannesburg.)