KABARY TSY HIHINANAN-KANINA

Ny kabary izay natao dia mbola manamafy indray
Fa tena tranon-dainga hatrany ny mpitondra any aminay,
Satria dia mbola nohamafisiny ny amin’ny tramway,
(Ilay efa teny ambony sambo, folo taona lasa izay!)

Tsy misy zavatra mivaingana fa dia rediredy hatrany.
Toa mametraka ny gasy ho badobe sy tena ambany!
Hany ka mitohy ny lainga fa tsy misy fiafarany.
(Tena hoe volan-kankafotra ka dia ny omaly ihany!)

Vokany : tsy mety resy fa mitohy ny fahantrana.
Mihamisingo-borodamba ny olo-maro eto an-tanàna.
Building tsy ilainy sy tsy takatry ny volany,
No dradraina sy ambara fa ho tena vahaolany!

Tosika fameno izao no tena mbola andrandraina,
Saingy hatreto dia tsy misy ka dia reraka ny saina.
Hiandry aretina miverina, hiandry indray ny fihibohana,
Any angamba vao hahazo ilay atao hoe vatsy tohana!

… Fa hatreto dia kabary miampy fampandriana adrisa
No entina mba hamahanana ireo vahoaka an-tapitrisa,
Ka tsy diso ny olobe nilaza tsotra am-pahendrena
Hoe : “Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!”

TSIMIMALO (06-01-21)