ENS Ampefiloha – Nirefotra ny lakrimôzena, nisy rà latsaka sy mpianatra voasambotra

Ny hetsiky ny mpianatry ny ENS tetsy Ampefiloha.

Franck Razakambelo

Nirefotra ny lakrimôzena, nisy ny rà latsaka sy mpianatra voasambotra. Nitohana tanteraka ny fiara avy any amin’ny 67 Ha hihazo an’Ampefiloha ny marainan’ny omaly alarobia ary nihitsoka tahaka an’izany ihany koa ny fifamoivoizana avy any Anosy hihazo ny Compelexe Ampefiloha. Nitokona sy nipetraka teo ampovoan’ny araben’ny Garazy Ampefiloha ireo mpianatry ny sekoly Ens (Ecole Normale Supérieure), mba ho fanairana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mikasika ny fampidirana an’ireto farany hiasa eo anivon’ny Ministera.

Tsy niandry ela ny mpitandro filaminana, fa avy hatrany dia niatrana teny an-toerana ary taorianan’ny tsy fisian’ny fifampidinihana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra dia nandefa sy nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso izy ireo, mba hahafahana nanaparitaka an’ireo mpianatra tokony ho tamin’ny 10 ora sy 10 minitra maraina. Nitsoaka sy niditra tao anatin’ny fefin’ny sekoly ENS Ampefiloha ny ankabeazan’ny mpianatra ary nisy andiana mpianatra vitsivitsy, miisa 8 voasambotra tao anatin’izany rehetra izany.

Naneho hevitra ny solontenan’ny mpianatra, fa tsy nankasitraka ny fihetsiky ny mpitandro filaminana manoloana ny fitokonana am-pilaminana izay nataon’izy ireo. Nanohy fanazavana ity solontenan’ny mpianatra ity, fa niandry am-pilaminana ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazana ireto farany, mba hifampiaraharaha mikasika ny famahana ny hetahetany, ao anatin’izany ny fampidirana an’ireto mpianatra ireto hiasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanamafy ny solontenan’ny mpianatra, fa nampirehitra ny fahatezerany ny nandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy ny fandratrana, nandatsa-drà, ny naman’izy ireo, izay nanatanteraka fitokonana am-pilaminana, tsy nahitana fikasihan-tanana olona na mpitandro filaminana, sy tsy nahitana fandrobana entana. Namarana ny fanehoan-keviny ireto mpianatry ny Ens ireto, fa tsy misy mihaino ireto farany na dia efa nisy ny fifanarahana niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazana amin’ny famahana ny fitakian’izy ireo.

Marihina fa mampiofana an’ireo mpianatra ho mpanabe, sy ny mpandraharaha ary ireo olona miantsehatra amin’ny fanjakana ny Ens kanefa dia mbola ataon’ny fitondram-panjakana an-kilabao toy izao ihany, hoy ny solontenany, noho izany mitaky « Recrutement Systématique » toy ny teo aloha, ho an’ny mpianatra rehetra ireto farany.

(Sary ENS : Ny hetsiky ny mpianatry ny ENS tetsy Ampefiloha.)