Depiote Me Hanitra R. – Herisetra hatrany ny valin’ny fitakiana eto

Helisoa

Marobe ny olom-pirenena no naneho ny heviny mikasika ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana, nandritra ny grevin’ny mpianatra tao amin’ny ENS Ampefiloha omaly. Isan’izany ny solombavabahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Me Henitra Razafimanantsoa. Nanambara ity farany, fa herisetra foana ve hoy izy no setrin’ny fitakiana sy fanehoan-kevitra eto amintsika?

irefotra teny Ampefiloha hoy izy omaly tamin’ny 11 ora, ny “lacrymogène” voalohany ho an’ny taona 2021. Amin’ny alatsinainy izao hoy ity depiote ity no hivoaka ny lisitry ny ho raisina ho mpiasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, saingy tsy misy mpianatra mpampianatr ny ENS ao anatiny araky ny fanazavan’ireto mpianatra ireto.

Nitaky ny hampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana avy hatrany ireo mpianatra ao amin’ny ENS Ampefiloha raha vao vita ny fianarany. Koa mipetraka ny fanontaniana eto hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, omena an’iza izany ireo poste budgétaire ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena? Maninona no tsy omena ny sahaza azy dia ireo tena nandalina momba ny fampianarana eto Madagasikara ireto?