EDITO 7 Janoary – Tsy ho zakan’ny maro raha sanatria mbola hisy ny fihibohana

Isambilo

Tapitra teo aloha ny fety samy hafa niandrasana ny taona vaovao, na izany aza mbola mitohy amin’ity volana janoary manontolo ity ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra, ho an’ireo mbola tsy nahatontosa izany tamin’ny faran’ny herinandron’ny voalohan’ny taona, ny herinandro teo.

Efa niverina namonjy ny asa aman-draharaha ny rehetra nanomboka ny alatsinainy teo, ny mpiasa niverina niasa, ny mpianatra niverina any an-tsekoly. Na nilaza aza ny filoha Andry Rajoelina, fa ho taonan’ny fampandrosoana, taonan’ny fanaovana foto-drafitrasa goavana ity taona ity, raha ny fandinihana azy, mety mbola hananosarotra ihany ity taona 2021 ity satria tsy vitsy ireo orinasa nikatona, tsy vitsy ireo very asa noho izany. Kely, na tsy nisy mihitsy ny fanampiana ny sehatra tsy miankina teto amin’ny firenena tamin’ny taon-dasa, noho izany, mbola ho sahirana izy ireo hiarin-doha, ka tsy mbola tena ho afaka hamorona asa, na hamerina ny asa very tamin’ny taona 2020.

Ankilan’izany, mbola mitoetra eto amintsika ny valanaretina coronavirus, na nilaza aza ny ministry ny fahasalamana fa voafehy izany. Iaraha-mahalala fa mirongatra indray izany amin’izao fotoana any Eoropa sy any Etazonia, mety hipaka hatraty Afrika sy Madagasikara indray izany atsy ho atsy, indrindra amin’ny fidirana amin’ny vanimpotoanan’ny ririnina, na izany na tsy izany, tsy ny hatsiaka loatra no tena mampirongatra ity valanaretina ity, porofon’izany, ireo toerana mafana eto amintsika toy ny any Diana, Boeny, sy ny sisa… dia mbola ahitana izany valanaretina izany hatramin’izao. Mila mailo hatrany arak’izany ny rehetra amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana, ary ho an’ny fanjakana, aiza ho aiza ny mety ho fanafarana vaksiny fiarovana, satria efa misy izany? Iaraha-nahita fa tsy tena nahomby ny CVO-ny filoha, ny vidiny aza ankehitriny dia efa tafidina hatramin’ny 300 Ar, ary tsy ny rehetra no nampiasa azy na maro dia maro aza ny dokam-barotra natao taminy.

Momba ity valanaretina ity, samy mitsipaka ny hiverenan’ny fihibohana ny maro, iaraha-mahalala ny vokatr’izany teo amin’ny tsirairay satria tena niteraka fahasahiranana, ny fitondrana nitondra fanampiana ihany, saingy tsy nahazo izany ny rehetra, nisy ny fanavahana ireo olona nahazo tohana nenti-niady tamin’ny covid19 io. Tsy ho zaka intsony arak’izany raha mety mbola hisy indray izay fihibohana izay.