Filoha Rajoelina – Vokisany habobo sy fampanantenana poakaty sahady ny vahoaka

Ny Valosoa

Vao miandoha ny taona dia vokisan-dRajoelina habobo sy fampanantenana poakaty sahady ny vahoaka. Kabary mampiomehy araka ny fitenin’ny tanora, izay no azo ilazana ny kabary nataon’Ingahy Filoha Rajoelina tamin’ny 31 Desambra 2020 teo, efa fomba fanao moa ilay mikabary ka dia natao, ny vahoaka moa etsy andaniny, dia misy ihany ireo mihaino na dia maro aza no efa tsy manantena zavatra intsony amin’ny fitondrana.

Toy ny efa mahazatra an’Ingahy Filoha sy ny efa nataony tamin’ireny fanonganampanjakana natomboka teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireny, dia tsy miova fa mitantara habobo hatrany, mbola nataony izany tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny taona 2018, ary hatramin’izao dia vao mainka miseho ny maha-tranon-dainga azy.
Ilaina ary tena zava-dehibe ny mitondra fanazavana amin’ny vahoaka mikasika ireo fitaka bevava tanisainy, izay hita miharihary fa fiheverana ny vahoaka malagasy, ho olona tena bado tanteraka, azo itantarana zavatra tsy mbola hitan’ny voamaso , ka ampiasaina ireo voambolana vahiny toy ny “autoroute”, “téléphérique”, “tramway” dia vao mainka domelina ireo vahoaka.

Fa ho hazavaina tsirairay ny momba ireo voalazan’Ingahy Filoha ireo:

NY “AUTOROUTE”
Any amin’ny firenena lehibe dia misy karazany ny lalana, dia ny “autoroute”, ny lalampirenena na “route nationale” , ny lalamparitra na “route departementale” , ka singanina sy hazavaina manokana ny “autoroute”.

Lalambe migodana ny “autoroute”, fiara telo farahakeliny no afaka milahatra, tsy misy ny fifanenan’ny fiara, izay haingampandeha indrindra no any amin’ny ilany havia indrindra, marihana fa any amin’ny “autoroute”, izay fiara miadam-pandeha dia domin’ny hafa, ny “autoroute” dia tsy mandalo tanàna ary ny tena iavahany amin’ny karazandalana hafa dia andoavambola ny fandehanana eo aminy.

Noho ireo antony voalaza, dia voaporofo fa lainga raofina amin’ny sobika no voalazan’Ingahy Filoha, satria ny vola anaovana izany dia tsy an-jaza araka ny fitenin-jatovo, fa mila mandany indroa na intelo amin’ny fanamboarana lalana any amin’ny lalampirenena, kanefa ny fanarenana ny efa simba aza tsy misy tokontaniny hatramin’izao, ny lalana tsy mandalo tanàna dia tsy mampandroso ny vahoaka, satria voamarina fa mampitombo ny fidirambolan’ny mponina izay afaka mivarotra ny vokatra ho an’ny mpandeha fiarakodia, ny fisian’ny fiara mandalo tanàna, toy ny any Antsampanana, Marozevo, Ambanitsena, Ambatolaona, Andasibe, Camp Robin, Talata Volonondry, Irondro, Ambondromamy, Ambilobe, sns… Mikasika ny hoe lalana andoavam-bola, dia filam-boatsiary ihany, satria tsy misy sarany aza efa manahirana ny fivezivezena ary ny anisan’ny mampiakatra ny vidin-tsolika anie dia vokatry ny fisian’ny “FER” na “Fonds d’Entretien Routier”, na ilay ampahany alaina amin’ny vidin-tsolika, izay midika hoe efa andoavambola ny fivezivezena eny amin’ny lalampirenena , kanefa koa tsy hita akory izay fikojakojana ny lalana, indrindra nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita.

NY “TELEPHERIQUE”
Fitaovam-pifamoivoizana mampifandray toerana roa samy eny an-tampon-kavoana ny “télépherique”, any amin’ireo firenen-dehibe dia tsy fitaovam-pitaterana manala ny fahasahiranambahoka ny “télépherique”, fa natao ho an’ny mpizahatany miala voly, tsy mamonjy fotoana, ka raha mirediredy Ingahy Filoha fa hasiana “télépherique”, eto Antananarivo, dia ny toerana toy ny eny Andohalo, na Ambohipotsy izany no hifandray amin’ny alalan’ny “télépherique”, amin’ny eny an-tampon’Ambohijanahary, na Ambohitsaina, Soavimbahoaka na Golan hoy ihany koa ny tanora tamin’izany, Andrainarivo.

Ny tiana hamafisina dia tsy mahavaha ny olana eo amin’ny fifamoivoizina, na manafoana ny fisian’ny fitohanana ny fisian’ny “télépherique”, manginy fotsiny ny fandaniana amin’ny herin’aratra, koa dia mazava izany fa resaka tsy mitombina ny fananganana “télépherique” eto Antananarivo.

NY “TRAMWAY”
Ny “Tramway” dia fifamoivoizana an-tanàn-dehibe amin’ny alalan’ny lalamby. Vao mainka tsy azo inoana ny isian’ny “tramway”, satria tsy moramora ny hitady toerana hasiana ny lalamby vaovao, ary na ny Lagaran’i Soarano sy Soanierana aza efa lasa toerana fivarotan’ny Orinasa mivarotra entana tsy misy ifandraisana amin’ny resaka lalamby, ary raha ny vaovao mikasika ny lalamby dia eny amin’ny Lagaran’Ambohimanambola indray no lasa fiantsonana ho an’ny eto Antananarivo. Ny tiana hambara izany dia marivo tototra loatra ilay lainga momba ny” tramway”, sady tsy mbola hadino ny nilazan’Ingahy Filoha tamin’ny taona 2010 f’efa any ambony sambo hono ny “tramway”. Tramway koa dia mila rian’aratra matanjaka izany, ny rian’aratra eto amintsika aza tapatapaka lava, ka tsy hahafahana hanao izany mihitsy.

Ny azo amehezana izay voalaza rehetra izay dia porofoin’Ingahy filoha, fa tompony izy fa tsy mpindrana raha fandaingana no resahina, soa fa efa mailo ny vahoaka Malagasy, ka tsy mahatoky izay lazainy intsony, ka ny mety hampihomehy amin’ny fotoana mba hilazan’Ingahy Filoha zava-marina dia tsy hino azy intsony ny olona .