Mitsoka ny rivo-panovana – Niova fo ny SEFAFI

Ny Valosoa

Niala ny vorodamba nanentsina ny vavan’ny Sefafi: Sehatra Fanarahamaso ny Fiainam-pirenena, satria niloa-bava indray ry zareo rehefa nangina nandritra ny fotoana lavalava.

Tsiahivina fa nandritra ny fotoana nitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina dia nanan-ko lazaina hatrany ny Sefafi, nitsikera ny fitondrana. Vao tonga teo amin’ny fitondrana anefa ny filoha ankehitriny dia azo lazaina ho tsy nandrenesam-peo matetika intsony ny Sefafi, na dia hita mibaribary aza fa betsaka lavitra noho ny tamin’ny fitondrana Hvm ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao.

Tsy mahagaga izany, satria ny Sefafi anie dia ireo efa tao amin’ny “Justice et Paix”, izay nanana andraikitra be dia be tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, misy ireo lohandohany tao, mahazo toerana ao amin’ny fitondrana ankehitriny toy ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), izay efa filoha tamin’ny fitondrana Hvm, koa tsy nahataitra raha ninia nikimpy nanoloana ny hosoka tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2018, ary niala ilany tamin’ilay fomba fiteny diso hain’ny malagasy manao hoe: ”azo raisina fa tsy mitombina”, sy nahasahy nirediredy tamin’ny fotoana namoahana ny voka-pifidianana. Tsy izy ihany, fa ao koa i Ramatoa Filohan’ny Csi: Filankevitra ambony momba ny fahamendrehana, na “ Conseil Supérieur de l’Integrité “, ilay Ramatoa tompon’ny vava fahiny, kanefa dia toa nizaitra ny molony, satria efa ry Rajoelina no mitondra.

Tampoka teo anefa dia namoaka feo ry Sefafi, nitsikera ny fomba nitantanan’ny mpitondra ny fifehezana ny koronaviriosy, tamin’ny faramparan’ny taona teo, nambaran’ny Sefafi, fa tsy nisy ny mangarahara tamin’ny nampiasana ireo fanampiana avy any amin’ny sehatra iraisampirenena, ary tsy ara-dalàna ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana, fa miendrika ho fanapenam-bava sy fanitsakitsahana ny demokrasia.

Marina daholo ny nambaran’ny Sefafi, na dia tratra aoriana aza ny nitenenany azy, kanefa tsy maninona satria manamarina ny efa nambaran’ny rehetra teo aloha avokoa izay voalazan’izy ireo, efa mitsoka ny rivotry ny fanovana ankehitriny: “wind of change”, hoy ilay hira malaza izay, nalaza hatramin’ny taona 1989 tany.

Fa maro ireo mifanontany hoe: fa azon’inona no niloa-bava tampoka ireto Sefafi? dia samy manombatombana ny valiny eo ny tsirairay, misy ireo milaza fa tsinjon’ny Sefafi fa hitsoka tsy ho ela ny rivo-panovana eto amin’ny firenena, efa ho rendrika ny sambo, ka tsy te ho tratra farany ny Sefafi, ao indray no manitrikitrika ny hoe: efa miady an-trano ny Sefafi, sady tsy te-hitaingina soavaly maty koa, fa tsy ferana koa ny fisian’ireo manambara, fa rehefa nandinika lalina ny fizotran’ny raharahampirenena ny Sefafi dia vonona ny hiova fo amin’izay.

Tsetsatsetsa tsy aritra tsy maintsy nambara avokoa ireo, sady hevitra nivoaka teny rehetra teny, fa ny irariana dia hizotra amin’ ny lalana mifanaraka amin’ny fanambarana nataony tamin’ny faran’ny taona ny Sefafi, satria efa voaporofo fa nitondra tany amin’ny kizo “iny lalana iny”, ka hiray feno sy hanambatra ny hery amin’ireo fikambanana maro , izay efa samy nanambara fa feno hosoka ny fifidianana nanomboka tamin’ny taona 2018 ka hatramin’izao, ary samy nanamafy fa tena nilaza ny marina tokoa Andriamatoa Thierry Rakotonarivo.