CORONA ANDIANY FAHAROA ?

Tsy misy manaiky an’izany, kanefa,
Ny ataonao mpitondra dia mahasadaika,
Fa zavatra ambany sy mirefarefa
No tena imatesanao sy mahamaika.

Tazano ny ekipan’ireo bemarenina.
Moa efa tena nandinika va,
Sa ny jiro mirentin’ Antaninarenina
No entina miady amin’ny corona?

Ary ireo zaoridira mameno tanàna
Izay mbola ilalaovan’iretsy kilonga,
Moa ve tsy porofo fa ny fanjakana
No miantso ny aretina indray mba ho tonga?

Mba sainonareo tsy manao arovava
Kanefa mitafa amin’ny olona maro.
Sa ny corona dia nilaza mazava
Fa misy tsy asiany satria tsara aro?

Tsy mety ho modely mihitsy àry ve
Sa dia efa nozarina hanao amboletra?
Mba mieritrereta raha toa « olobe »
Nefa tena tsy mety manaja fepetra !

Tsy hoe vava fotsiny no ento mandà,
Fa ny saina sy ny hery koa ‘ndeha atambaro:
Tsy ekena hiverina ny corona
F’efa tena nandripaka ain’olo-maro !

DADAN’i ZINA (O4-01-21)