RMDM sy ny TIM ary ny mpanao politika – Vonona hitondra indray hiaraka amin-dRavalo

Ny Valosoa

Ho famaranana ny taona 2020, sy ho fandraisana ny taona vaovao 2021, nisy ny hafatra sy ny fanambarana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, anisan’ny nambarany tamin’izany, fa tsy misy ny zavatra mandeha eto amin’ ny firenena amin’izao fotoana, fa lainga sy fitaka no amahanan’ny mpitondra ny vahoaka.

Ny sabotsy 2 janoary teo indray, niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny avy amin’ny RMDM, ny antoko TIM ary ireo mpanao politika hafa, ao anatin’ny fanoherana eto Madagasikara. Nitondra ny tenin’ny RMDM sy ny mpanao politika tamin’izany, ny filoha lefitr’ity vondrona antoko politika avy amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha ity, Pasitera Edouard Tsarahame, nambarany fa ao aorian’i Dada hatrany ny rehetra ary raha hitondra indray ny filoha Marc Ravalomanana dia vonona hitondra hiaraka aminy ny mpanao politika, satria vao miandoha ny taona dia efa vokisan-dRajoelina lainga sy fitaka ary habobo ny vahoaka Malagasy.

Nanamafy izany ihany koa ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina Randriamasinoro, fa vonona hanohana ny Filoha Ravalomanana amin’ny tanjona izay ho tratrarina, ho fanavotana ny firenena ihany koa ny antoko izay najoron’i Dada.

isolotena ireo olom-boafidy : senatera, depiote, ben’ny tanàna ary mpanolotsaina ny kaominina kosa ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany, Me Hanitra Razafimanantsoa, vonona ho eo alohanao izahay hoy izy, nefa aoka kosa ianao hoy Me Hanitra tsy hiverin-dalana, fa hiroso hiaraka aminay amin’ ny zavatra ho avy.

Nanome toky ny filoha Marc Ravalomanana, fa vonona hanavotra an’i Madagasikara, sy ny vahoaka ao aminy indray. Notsiahiviny ny teny ao amin’ny soratra Masina, izay milaza fa : mandehana amin’izao herinao izao. Handeha ary vonona aho hoy Ravalo!