Mandindona ny janoary hisian’ny sedra mafy ho an’ny tokantrano tsirairay

Andry Tsiavalona

Vita ny fifidianana loholona! Nifaly sy nifety ny gasy tamin’ny Krismasy! Mbola manao volonandro fety izao satria mbola tandindonin’ny fetin’ny faran’ny taona izay migadona anio ary ora maromaro sisa dia hifarana ny taona. Maloka ihany koa ho an’ny faritra maro nandalovan’ilay rivodoza Chalane, satria dibodrano ny tanàna maro ary tsy mbola nahazoana vaovao moa ny takaitra nateraky ny rivotra. Etsy andaniny dia maizina ihany koa ny fety ho an’ny fianakavian’ireo voatazona eny am-ponja, sy ireo vao nofonjana andro vitsy lasa izay. Talohan’ny fety koa dia nisy ireo Andrim-panjakana izay nampifaly ny mpiasa ao aminy tamin’ny fizarana kilalao sy vatomamy ho an’ny zanaky ny mpiasa ary tao ny nanomana sakafo niaraha-nihinana. Ny andro Krismasy dia samy namonjy ny trano fiangonany avy ny rehetra ary nisongadina manokana tamin’ny haino aman-jery ny an’ny filohan’ny Repoblika sy ny ankohonany teny amin’ny Akamasoa. Torak’izany koa ny an’ny filoha Marc Ravalomanana teny Imerinkasinina.

Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ary mandindona sahady koa ny volana janoary izay vanim-potoana tena sedra mafy ho an’ny tokantrano tsirairay satria rehefa avy mba nihinana mamy kely nandritra ny fety indroa miantoana dia ritra tanteraka ny eo am-pelatànana ho an’ny valalabemandry, ka maro no hitain-kidy trano mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra. Na dia heverina aza fa mba hidina kely ny vidin’ireo zavatra ilaina andavanandro dia tsy hampiova na inona na inona loatra izany. Eo amin’ny sehatra politika indray dia nisy ireo niantso fiatoana kely mandritra ny fety kanefa nisy ireo naiditra am-ponja andro vitsy talohan’izany. Mety nanodinkodina volam-bahoaka (deniers publics) tokoa izy ireny ary mendrika ho saziana kanefa toa misy ambadika politika ihany satria tomponandraikitra tamin’ny fitondrana teo aloha izy ireo. Nisy kosa izay nanao toy izany tamin’ny tetezamita ary nandalo teny amin’ny Antenimierampirenena ny antotan-taratasy ankatoavana ny fandefasana any amin’ny Fitsarana Avo kanefa dia tsy feno hatrany ny isan’ny depiote tokony nandany izany. Tena niainana teto amin’ny Firenena, indrindra ho an’ny politisiana, ny hazalambo sy antsojay kanefa azo lazaina fa tsy ady ifanandrinana ireny fa fanafihana mandeha ila ihany. Tsy misy tohiny aloha hatreto ny momba ireo lohandohan’ny mpisorona tomponandraikitra tamin’ireny “bonbons sucettes” sy “écrans plats” ireny, izay tsy takona hafenina fa be lavitra noho ireto nofonjaina vao haingana ireto ny vola nolaniana tamin’izany. Tsy resahina intsony ny fananan-karena tsy fanta-pihaviana an’ireo manampahefana sasany. Eo koa ny tsy fisian’ny mangaraharaha tamin’ny fitantanana ireo vola fanampiana momba ny valanaretina covid-19. Misy ny sahy mamaky bantsilana ny fandaniana nataon’ny minisitera sasany, izay tsy nisy nifandraisany tamin’ny valanaretina mihitsy.

Na izany na tsy izany dia nampanantena indray ny filohan’ny Repoblika, fa hatomboka amin’io taona ho avy io hono ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa goavana. Tsy fantatra intsony izay programa mazava satria niainga tamin’ny “IEM” dia niofo ho “velirano 13” nanjary “Plan Marshall”, ka notazonina ny “plan” fa novaina “Plan EM”. Tsy izay iantsoana azy no zava-dehibe satria ny eo tsy hita akory izay niantombohany dia naroso indray ny hafa, ka inona marina ny votoatiny (tenant) sy fiafaran’izany (aboutissant) fotodrafitrasa goavana izany?  Hiteraka asa maharitra ho an’ireo mila izany ve sa asa mandalo ihany? Fotodrafitrasa hanondraka tany entina hambolena fototsakafo ho an’ny Malagasy mba tsy hanafarana vary intsony ve? Fotodrafitrasa hamokarana angôvo mba tsy hijaliana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra ora maro intsony? Fampandrosoana eo amin’ny sehatra rehetra sy ho an’ny ankolafin’olona rehetra fa tsy hanabontsinana ny efa eo am-pelatànan’ireo mpanefoefo fotsiny ihany. Raha te-hampandroso firenena dia tsy maintsy mipetraka amin’ny tany ny tongotra ary ny manana toetsaina matotra fa tsy manonofy zavatra tsy mifanaraka amin’ny iainan’ny mpiara-belona.