Gazety Ny Valosoa Vaovao, ireo anisan’ny nisongadina tamin’ny 2020 – Politika: Ravalo. Fahasalamana: Pr Vololontiana Hanta. Gazety: Arphine. Fanatanjahantena: Dupuis…

Sôh’son

Fanao amin’ny fotoana toy izao fiafaran’ny taona  izao ny manao jery todika ny nisongadina nandritra ity taona 2020 hivalona ity. Lafiny vitsivitsy nisongadina no horesahana fohifohy eto, dia ny politika, asa fanaovana-gazety, fahasalamana, ary fanatanjahantena, araka ny fahitan’ny eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao azy:

Filoha Marc Ravalomanana

Nisongadina teo amin’ny tontolo politika, raha ny tombana natao, dia voalohany amin’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Eo ny maha filohan’ny antoko mpanohitra azy, fa anisan’ny nisarika ny saina dia niaraha-nahita ny fanenjehana natao azy sy ny fiezahana mihitsy hanapotika ity mpitarika ity hatrany amin’ny fihariany. Niaraha-nahita sy nahalala tsara koa anefa, ny niatrehany izany fa nataony tsy hahakivy azy izany amin’ny fimasoany nijery hatrany ny fiainam-bahoaka sy ny firenena. Teo aloha ny tsy fahanginany mihitsy niteny raha nahatsinjo fa ho loza hanjo ny firenena ny tsy fanidiana ny sisintany manoloana ny fihanaky ny covid-19 maneran-tany. Tsy nijery fotsiny ny fahantram-bahoaka izy, fa nitondra anjara biriky mihitsy. Teo ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana izay nampandamaka ny sosialim-bahoaka sy ny toekarem-pirenena, ka nandraisany izy sy ny antokony anjara tamin’ny fanomezana ho aro ny vahoaka, izay hitany fa tsy vitan’ny fitondrana samirery. Nisongadina indrindra ihany koa ary hitan’ny besinimaro, ny vahoaka Malagasy, ny firaisam-po nataony tamin’ireo mpiray tanindrazana any atsimo iharan’ny kere sy ny fanomezana natolony. Na nohenjehina aza izy dia mbola nahavita be teto amin’ny firenena. Olona toy izany no ilain’ny firenena.

Arphine

Teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, dia nisongadina ny mpanao gazety, Arphine Helisoa, talen’ny famoahana ity gazety Ny Valosoa Vaovao ity. Tsy hoe midoka tena akory ny gazety sy ny mpanao gazety ato aminy fa izay no zava-misy. Niaraha-nahalala ny momba azy, izay nohenjehina sy nampidirina am-ponja tamin’ny zavatra tsy nataony sy tsy niandraiketany akory. Niaraha-nahita ny fanoherana izany fihetsika nataon’ny fitondrana izany sy ireo fitakiana marobe na teto an-toerana na tany ivelany. Samy nitaky ny famoahana azy na olon-tsotra, na mpanao politika maro, na sendikà, na mpanao gazety maro teto an-toerana sy tany ivelany. Nolazain’ny ministry ny serasera Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy sy ny ekipany fa tsy mpanao gazety izy, nefa ny filoha Rajoelina mihitsy no niaiky fa mpanao gazety ary nilaza ny hamoahana azy ny andron’ny 3 mey, andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Rehefa nivoaka ny fonja ny tenany sy nandray ny asany amin’ny fanaovan-gazety, dia nisy ny fiaraha-miasany tamin’ny fikambanana samihafa teto an-toerana sy tany ivelany ka nitondrany anjara biriky ho fanampiana ny mpiray tanindrazana ihany koa izay sahirana nandritry ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana sy ara-tsosialy teto amin’ny firenena, anisan’izany ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa, sy ny fikambanana Soleil Marmailles atsy amin’ny Nosy La Réunion. Mbola nahavita ihany koa izy sy ireo fikambanana ireo ary Malagasy olon-tsotra malala-tanana iray monina any Frantsa, tamin’ny fanampiana ireo mpizara gazety teto an-drenivohitra nandritra ireny hamehana ara-pahasalamana ireny. Ankoatra ny asa fanaovan-gazety, dia mirotsaka amin’ny asa sosialy ny tenany ankehitriny. Tao aorian’iny raharaha iny, izay faritra rehetra nolalovany teto amin’ny Nosy dia mahafantatra avokoa hoe Arphine, “nanaraka tsara iny raharaha nampalahelo iny izahay”, hoy izy ireo izay tafahaona taminy teny rehetra teny.

Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle  

Efa miresaka krizy ara-pahasalamana ihany, dia anisan’ny nisongadina teo amin’ny tontolon’ity sehatra ity, nandritry ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19, ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, izay tsy tapaka tamin’ny fampitàna ny vokatra isan’andro nandritry ny volana maro. Saika lasa nahafantatra azy avokoa ny Malagasy noho io sehatra niandraiketany io. Ankehitriny izy dia lasa misahana ny andraikitry ny mpandrindra nasionaly eo anivon’ny ONN. Ny tiana ho marihuana mahakasika azy, mety ho vitan’ny mpanao gazety ihany ny asa nataony nandritra ny hamehana ara-pahasalamana iny, mety ho vitan’ny dokotera hafa, mety ho vitana Paramed ihany koa.

Dupuis

Farany horesahana, eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Hatreto, dia mbola misongadina ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barean’i Madagasikara, izay izy no lohany mitarika ankehitriny eo vondrona misy azy alohan’i Côte d’Ivoire, sy Ethiopia ary Niger, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny ekipam-pirenena taona 2021 na CAN 2021. Ny Barea no anisan’ny mampiray ny Malagasy amin’izao fotoana. Singanina amin’izay mampisongadina ny Barea izay ny mpanazatra Nicolas Dupuis, izay anisan’ny fototra amin’ny fahombiazan’ny Malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra amin’izao fotoana izao. Io sehatra iray io no mba hany nampitraka ny Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Marihina, fa tsy hita tsara kosa izay mba nisongadina teo amin’ny lafiny hira sy mozika, noho ny fanembantsembanana vokatry ny covid-19, ka tsy nahafahan’ireo mpanakanto namoaka ara-potoana ny vokatry ny talentany. Ny fampisehoana ara-javakanto sy kolontsaina koa hatramin’izao dia mbola voafetra ihany. Fa ny nisongadina sy nanaitra tamin’ity lafiny zava-kanto ity dia tsy nahazo olona ilay mpihira Jerosalemana teny amin’ny Coliséum Antsonjombe.