Fitondrana Rajoelina – Nazava sy mazava ary hiha-mazava ny fitiavan-tenany

Andry Tsiavalona

Vita ny fifidianana senatera ary efa mazava ny fandraofan’ny antokon’ny mpitondra, IRD, ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierandoholona. An’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiaradia aminy izany ny tanàna, ka afaka manao izay tiany hatao amin’izay ny manampahefana isan-tokony.

Mety afaka manao aroriaka ihany, ny mpanohitra sy ny RMDM ary ny vondron’ny Panorama, amin’izay mety ho fihoaharam-pefy ataon’ny mpitondra kanefa amin’ny ankapobeny dia resaky ny moana sy marenina no hita hatramin’izao.

Andro vitsy sisa no isaina dia ho tonga ny fetin’ny faran’ny taona. Miravaka jiro maro loko ny eto ampovoan-tanàna kanefa raha vao miala zato metatra avy eo dia maizina toy ny isan’andro. Tsy vitan’izay fa mbola eo koa ny delestazy izay mampikaikaika ny mpiray firenena, tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa. Tsy resahina intsony ny fahatapahan’ny rano ka “bidons jaunes” aman-jatony no milahatra eny amin’ny paompy ary maraina be dia efa tonga ny mpatsaka. Entina midio sy handrahoana sakafo moa ny rano ary tena “aina” tokoa ity akora ity ho an’ny manan’aina rehetra, na biby na olombelona. Ny olana anefa dia ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao dia mahantra fadiranovana, ka na misy aza ny rano dia izay hatokona mbola tadiavina.

Mitombo an’isa ny Malagasy mahantra ka raha laharana faha-dimy maneran-tany any amin’ny farany isika dia efa laharana faha-roa isika amin’izao fotoana izao. Nanampy trotraka tamin’izany ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana izay naha voatery mpandraharaha nanakatona ny orinasany ary nandroaka na nampiato amin’ny asany ny mpiasa, ka efa aman’hetsiny izy ireny. Mazava ho azy fa nitombo isa izay tsy izy indray ny mpivarotra amoron-dàlana. Amin’izao ankatoky ny fety izao anefa dia enjehina tsy avela hivarotra izy ireny satria hanao “bazar de noel” eo amin’ny Lapan’ny Tanàna ny fiadidiana ny Repoblika sy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, ka mpifaninana amin’izay handray anjara amin’izany ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny.

Efa nazava sy mazava ary hiha-mazava ny fitiavan-tena sy tsy firaharahiana izay manjo ny mpiray firenena amin’ireo nampindramina fahefana ireo, izany hoy ny fitondrana Rajoelina izany, ka heveriny fa izay tiany ihany no tsy maintsy toavina sy arahina.

Tsy nitsahatra ny nandemy ny sain’ny vahoaka tsy mandady harona izao fitondrana izao ka voalohany amin’izany ny filohan’ny Repoblika, nanambara tetsy sy teroa fa maheno sy mahafantatra ny fitarainan’ny vahoaka ary eo anilany mandrakariva. Tsy ny fanomezana “tsaky tsinjo” amin’ny vidiny 100 ariary isaky ny atoandro no hamaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka eny ifotony. Tsy ny fanorenana trano mijoalajoala sy manara-penitra no hanafoana ny mponina mipetraka ao anaty trano plastika, eny La Réunion kely. Ireny olona tsy avela hivarotra ireny dia na 100 ariary aza tsy ho hitany ka fandatsana azy ireny ihany izany ary mbola hafa ihany ny ankohonana miara-misakafo, fa tsy manao fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka izay hitany. Ho an’izay manan-janaka mbola madinika kosa dia tsy afaka hampifalifaly azy ireny amin’ny fanomezana azy kilalao amin’ny andro Krismasy ireny mpivarotra very asa sy tsy avela hitady vola ireny.

Fantatr’izao fitondrana izao fa mahari-pery, hendry ary mora rebirebena ny Malagasy, ka tsy sarotra ho an-dry zareo ny mampanonofy azy amin’ny alàlan’ny fandefasana horonan-tsary mampiseho ireo fotodrafitrasa heritreretiny ho tanterahina eto. Tsara sy manodoka ny mahita ireny fa mba firy isan-jatony amin’ny gasy no afaka hisitraka ireny. Tokony ho fantatry ny mpiray tanindrazana fa mbola ho mafy avo roa na telo heny amin’izao fahasahiranana iainana amin’izao fotoana izao no tsy maintsy hatrehina amin’ny roa na telo volana voalohany amin’io taona vaovao 2021 io. Mbola hampanantena volana sy kintana ny filohan’ny Repoblika amin’ny kabariny ny faran’ny taona izao kanefa sikino ny valahana ary hatanjao ny saina fa ny “hery hono tsy mahaleo ny fanahy”.