EDITO 17 Desambra – Fanaovan-dalàna – Tsy nitondra soa ho an’ny vahoaka ny fivorian’ny Parlemanta indroa miantoana

Ny Valosoa

Ho tapitra rahampitso ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera roa tonta, dia ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona.

Raha tsiahivina ny fivoriana voalohany izay manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey dia natao hanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola nolaniana ny taon-dasa « Lfr », ary ny fivoriana faharoa dia manomboka ny talata fahatelon’ny volana Oktobra, izay natao handinihana ny lalàna mifehy ny teti-bola lasitra na « Lfi » amin’ny taona manaraka. Ankoatran’ny fandinihana tetibola dia misy ny fifanatrehana eo amin’ny olomboafidy sy ny fahefana mpanantanteraka dia ny governemanta izany, sy fandinihana ary fandaniana ireo volavolan-dalàna, na tolo-dalàna samihafa.

Nandaniana volabe ny fivoriana ho an’ny Solombavambahoaka , satria ho fanajana ny elanelana sy ho fisorohana ny fihanaky ny koronaviriosy dia tsy natao teny Tsimbazaza ny fivoriana, fa nafindra teny amin’ny CCI Ivato, ilay Ivontoerana fandraisana fivoriana iraisampirenena, ilay naorin’ny Filoha Ravalomanana. Vola tsy toko tsy forohana no naloa nanofana io toerana io, manginy fotsiny ny fandaniana amin’ny fitaterana, ny mampalahelo anefa dia mbola marobe ihany ny depiote tsy tonga mivory.

Fanitsiana ny tetibola no natao nanomboka ny volana mey, nahita ny tsy fahita ny malagasy tamin’ilay nambara fa fanitsiana, fa dia nivilana any amin’ny tsy tokony ho izy ny fandehany satria, dradradradraina fa ny 80 isanjatony mahery amin’ny malagasy dia tantsaha, kanefa dia ny tetibola ho an’ny Minisitera miadidy ny fambolena sy ny fiompiana ary fanjonoana indray no nahena. Manjaka eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana dia nahena kosa anefa ny tetibola ho an’ny Minisiteran’ny fiarovana, ny tena fositra amin’ny fampiasambolan’io ministera io dia ny fandaniana mihoa-pampana amin’ny fitandroana ny filaminana an-tanàndehibe, ny tena marina dia ny fahatahorana ny vahoaka maneho hevitra amim-pahamarinana no tena asa nampiandraiketina ireo mpitandro filaminana, ka alefa any ny ampahany betsaka amin’ny teti-bola, izay efa nahena.

Fa tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoa no vao mainka nahavaky vava ireo zatra mangina sy nampitampimbava ireo vavàna, satria ilay nambara fa teti-bola ho an’ny Antenimierandoholona efa nasiam-panitsiana tamin’ ny fivoriana ara-potoana voalohany dia tsy tonga tany andapan’Anosikely fa navily lalan-kafa, Ingahy Minisitra miadidy ny fitantananambola dia sahy nilaza fa nalefa ho an’ny Kere any atsimo hono ny vola, tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy ireo loholona. Mikasika ilay tetibola vaovao « Lfi » ho amin’ny taona 2021 dia kitoatoa no nandaniana azy, ireo depiote avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia nisafidy nivoaka ny efitrano fivoriana ary tsy nandany ilay tetibola peta-toko, taiza no mbola nisy tetibola hatramin’izay naha Madagasikara ny tanintsika, ka ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fanatanjahantena indray no mibontsina noho ny fitsinjovana ny ara-tsosialy, ary tsy hita taratra ao amin’ilay tetibola izay tena drafi-panarenana ara-toekarena.

Mikasika ny fifanatrehana teo amin’ny fahefana mpanantanteraka sy mpanao lalàna dia tsy hita izay tena dikany, satria ny tena nandrasan’ny vahoaka mpifidy dia ny famoahan’ny fitondrampanjakana ny mangarahara momba ny fitantantana ny fanampiana azo avy any ivelany niatrehana ny Koronaviriosy, kanefa dia tsy nisy izany fa niala ilany ry mpanantanteraka.

Mikasika ny « Hcj »,ilay fitsarana natao hitsara ireo tompon’andraikitra nahavita heloka teto amin’ny firenena, dia nidehaka mafy ny fitondrana ankehitriny fa ry zareo hono no fitondrana nahatsangana io rafi-pitsarana io, kanefa dia nalaza tsy nihinanana toa viliantsahona ihany ilay izy, satria fitsarana tsy afa-miasa amim-pahamarinana, satria voagejan’ny hevitry ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena, sady fanenjehana ara-politika tsotr’izao no antony mahatonga ny fitoriana.

Mendri-piderana kosa ireo loholona izay madiva ho tapitra ny fotoam-piasany, marihina fa ny fivoriana ara-potoana izay hifarana rahampitso no fivoriana ara-potoana farany atrehan’izy ireo, na izany aza dia nanao ny asany araka ny tokony ho izy ireo loholona nampijaliana tsy nomena tetibola niasana ireo, ary nanana fahasahiana hiroso amin’ ny fanadihadiana parlemantera ireo toe-draharaha tsy mazava teto amin’ny firenena, miisa efatra dia:
– ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna teto amin’ny firenena.
– ny mangarahara tamin’ny fitantanana ireo fanampiana azo avy any ivelany niatrehana ny koronaviriosy.
– ny mikasika ny lisi-pifidianana feno hosoka nampiasaina tamin’ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna.
– ny mikasika ny fatiolona nitranga tany amin’ny fonjan’i Farafangana.

Nampanantena ireo loholona fa havoaka ho fanta-bahoka ny vokatry ny fanadihadiana, koa miandry am-pitoniana ny vahoaka, satria efa maro loatra ny tsy rariny iainana ankehitriny, sady mbola amperin’asa tanteraka anie ireo loholona ireo, ka zony tanteraka ny manao ny fanadihadiana mandrapahatapitry ny fe-potoana iasany, sady ireo vao voafidy hisolo azy ireo dia efa fantatra fa hamoa-tsampona toy ireo solombavambahoaka maro an’isa ankehitriny.