Fanampian’i Etazonia ireo kere – Tsy misy idiran’ny fitondrana Malagasy ny fitantanana azy

Niaina

Fanampian’i Etazonia ireo kere any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, tsy misy idiran’ny fitondrana Malagasy ny fitantanana azy. Raha nomena hotantanin’ny fitondrana Malagasy tokoa ny fitantanana izany fanampiana Amerikana izany dia tokony ho natolony ny BNGRC, na ny ministeran’ny Atitany, na ny ministeran’ny mponina. Tsy izany anefa no nataon’ny governemanta Amerikana, fa nomeny ho tantanina fikambanana iraisam-pirenena miankina aminy izany, na fikambanana iraisam-pirenena miankina amin’ny Firenena Mikambana. Hitantana ny fanampiana vao nomen’i Etazonia farany antsika teo: ny CRS (Catholic Relief Services), ny ADRA (Adventist Development and Relief Agency), ary ireo fikambanan’ny Firenena Mikambana miasa eto amintsika. Tamin’ity herinandro ity mahakasika ny fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanana : nanome 100 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana. Misy tetikasa vaovao 3 vatsian’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) vola, ka itondran’i Etazonia 100 tapitrisa dolara fanampiny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Amin’ny alàlan’ireo tetikasa ireo ny governemanta amerikana dia hamaly ny filana maikan’ireo fianakaviana tratry ny hanoanana, ary hitondra vahaolana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy.
Ny tetikasa Firangà an’ny USAID dia hitondra fanampiana vonjy maika mitentina 10 tapitrisa dolara ho an’ny mponina maherin’ny 222000 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy izay tena voa mafy.
Ity tetikasa ity dia hitsabo ihany koa ny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny zaza latsaky ny dimy taona. Ny Catholic Relief Services no hanatanteraka ny tetikasa Firangà.
Ny tetikasa fampandrosoana Maharo an’ny USAID, izay maharitra 5 taona, ary mitentina 45 tapitrisa dolara, dia hiantoka ny filana ara-tsakafo maharitra ho an’ny mponina marefo maherin’ny 279000 ao Atsimo Andrefana sy Androy, hanatsara ny fahasalamany, ary hanamafy ny sandan-tohatr’izy ireo sy ny fari-piainany.
Eo amin’ny fohy ezaka, ny tetikasa Maharo dia hitondra fanampiana maika ho an’ireo fianakaviana marefo. Ny CRS: Catholic Relief Services ihany koa no manatanteraka ny tetikasa Maharo.
Ny tetikasa fahatelon’ny USAID dia ny tetikasa Fiovana izay maharitra dimy taona sy mitentina 45 tapitrisa dolara, ary entina hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny mponina maherin’ny 428000 any amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Ny ADRA: Adventist Development and Relief Agency no hanatanteraka ny tetikasa Fiovana.
Ireo tetikasa rehetra ireo dia hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy eo amin’ny fiatrehana ny hain-tany sy ny asa fampandrosoana lavitra ezaka.
Ny tetikasa dia mifanindran-dàlana ihany koa amin’ireo tetikasa vonjy taitra mitentina maherin’ny 10,5 tapitrisa dolara izay vatsian’ny governemanta amerikana vola, ary tanterahan’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM), sy ny UNICEF, ahitana fanampiana ara-tsakafo milanja 8330 taonina sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy madinika, mitentina 2,5 tapitrisa dolara.
Diplaomasia no nitenenan’ny Ambasadaoro Amerikana Michael Pelletier an’izany teny Iavoloha tamin’ity herinandro ity, fa raha ny fitantanana ny fanampiana dia hita fa tsy itokisany ny fitondrana misy, ka tsy natolony azy ireo ny fitantanana.