Tsy nahomby ny asan’ny fitondrana Rajoelina nandritra izay 2 taona nitondrany izay

Ny Valosoa

Tsy nahomby ny asan’ny fitondrana Rajoelina nandritra izay 2 taona nitondrany izay hoy ny RMDM, nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air androany maraina.

Nanamafy ihany koa ireo nitondra ny tenin’ny RMDM Andriamatoa isany Alain Andriamiseza sy Tabera Randriamanantsoa, fa mpanohitra ity fivondronana antoko maro ity: manohitra ny kitoatoa eto amin’ny firenena, manohitra ny tsy ara-dalàna ataon’ny mpitondra, manohitra izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny zon’ny vahoaka.