Masoivoho Amerikana – Nanara-maso ireo fanampiana nomeny ireo kere

Aly

Nanara-maso ireo fanampiana nomeny ireo kere, any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, ny Masoivohon’i Etazonia monina sy miasa eto amintsika. Nitsidika an’i Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, ary Amboasary ny Ambasadaoro Amerikana Michael P. Pelletier, sy ny Tale Jeneralin’ny USAID Madagascar, John Dunlop ny herinandro teo, mba hanao tombana ny fizotran’ny fanampiana hiatrehana ny hamehana omen’ny governemanta amerikana ary nihaino mivantana ny feon’ireo mponina nandray izany fanampiana izany.

Tany Ampanihy sy Ifotaka izy ireo dia nijery ny fomba fampiasain’ireo tobim-pahasalamana (CSB) eo an-toerana ny fanampin-tsakafo nomen’ny governemanta amerikana, hitsaboana ny zaza ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika. Nizara sakafo ho an’ireo olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo tao Ifotaka sy Tsihombe ihany koa izy ireo ary izany dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fanampiana hiatrehana ny hamehana omen’ny governemanta amerikana ho an’ny any atsimon’i Madagasikara.