“Mandehàna amin’izao herinao izao” … “Havoty ny firenena sy ny vahoaka”

Kere any Atsimo – Miomankomana hanatitra ireo fanampiana Ravalo

Isambilo

Miomankomana hanatitra ireo fanampiana homena ireo havana kere any Atsimo amin’izao fotoana ny filoha Marc Ravalomanana, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Araka ny nambarany tetsy Bel’Air Ampandrana tokoa ny sabotsy teo, nandritra ny fanamarihana ny faha-71 taonan’ny tsingerin-taona nahaterahany, nanambara i Dada tamin’izay fotoana izay, fa izy tenany mivantana mihitsy no hanatitra ireo fanampiana voaangona any amin’ireo havana kere any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, sy Androy ary Anôsy, ary tsy hisy hipika izany fanampiana izany, fa hataony ho tonga soa aman-tsara any amin’ireo olona sahirana izay mila izany. Ireo fanampiana azo nandritra ny fanamarihana ny fetiny ny sabotsy teo, sy ireo fanampiana voaray tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny hetsika tolo-tanana nataon’ny tanora TIM sy RMDM ireo hoentiny ho any Atsimo ireo. Fanampiana toy ny vola, akanjo, vary, voamaina, rano, savony, paty, ronono,… ireo hanampiana ireo Havana any Atsimo ireo.

Mandehana amin’izao herinao izao

Fa raha hiverenana ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy tolakandro teo, vavaka iraisam-pinoana no nanamarihana izany, avy eo nofaranana tamin’ny fanolorana ireo fanomezana hoentina hanampiana ireo havana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, noho ny haintany misy any amin’ny faritra sasany any amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha iny. “Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe : mandehana amin’izao herinao izao,… tsy efa naniraka anao va aho?” Mpitsara 6:14. Io no tenin’Andriamanitra notsongaina nentin’ny mpitandrina ho fampaherezana nandritra ny fotoam-bavaka natao ny sabotsy teo. Namaly izany ny Filoha Ravalomanna tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony: “tiako tokoa izany satria raha mbola manana hery ihany koa aho dia handeha aho hanompo ny fireneko. Faly dia faly sy midera an’ Andriamanitra tokoa, fa lehibe ny fahasoavany, ka afaka aho hanatanteraka ny faniriako hanolotra fanampiana ho an’ ireo havantsika ianjadin’ ny kere any Atsimo. Adidintsika ny firainsankina eto amin’ ny firenena. Vary, ronono feno otrik’ aina, rano, savony no atolotro ho azy ireo, miampy ireo izay fanomezana maro dia maro, izay natolotrareo ho ahy androany noho ny nahatratrarako ny faha 71 taonako ity”. Ankoatra izay, niresaka ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana koa i Dada, efa tena manaonao foana ny fitondrana misy hoy izy mahakasika ny nandefasan’izy ireo mpitandro filaminana tany Soavinndriana, ilay izy avy nivavaka iny. Ho hamafisintsika hatrany ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy hoy Ravalo, noho izany tsy mieritreritra valifaty izany isika. Hafatra ho an’ny mpitondra, tsy hitondra eo mandrakizay ianareo hoy izy ka mieritrereta, natanjaka izany Kadhaffi sy Bechir izany fa aiza izao. Nilaza koa izy fa mbola ho mafy ny krizy amin’ny taona 2021 noho ny fiantraikan’ny 7 na 8 volana nisian’ny valanaretina coronavirus izay. Ankoatra izany, nanambara Ravalo, fa niantsena tany Sabotsy Namehana Antananarivo Avaradrano, sy nitsidika ny Rovan’Ambohimanga ny sabotsy koa izy ny sabotsy teo iny, mialoha ny fotoana teny Bel’Air. Nitafa mivantana sy nihaino ny fitarainan’ireo olona sendra azy izy nandritra izany. Ny vidim-piainana midangana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahasahiranana, no anisan’ireo nasongadin’ireo olona nitafa taminy nandritra izany.

Havoty ny firenena sy ny vahoaka

Fa nitondra ny fiarahabana noho ny tsingerin-taona nahaterahany tetsy Bel’Air, ny solontenan’ny tanora Tim Analamanga tamin’ny alalan’ny filohany Andriamatoa Solofo. Ny avy amin’ny Vondrona Panorama, tamin’ny alalan’ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno. Ny avy amin’ny RMDM, tamin’ny alalan’ny filohan’ny CRN, Tabera Randriamanantsoa, ianao no tokony hisolo ny Filoha Zafy Albert amin’ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara hoy Tabera. Havoty ny firenena sy ny vahoaka Malagasy hoy ihany ny mpandahateny satria mpitondra mpandainga, sy tsy lany no mitondra ankehitriny, mijaly sy fadiranovana ny vahoaka. Nitondra ny fiarahabana avy amin’ny Parlemantera kosa ny depiote avy any Antsirabe II, José Randrianantenaina. Namarana izay fiarahabana an’i Dada izay, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, hanohana anao hatrany ny antoko hoy izy amin’ny hanatrarana ny tanjona mbola kinendry. Namarana ny fitenenana nankasitraka ny rehetra kosa i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ity fotoana ity.