Novan’ny ministera ny lalàna – Tsy handray anjara amin’ny fanaovana karatry ny mpanao gazety ny OJM

Isambilo

Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny Trace Tsiadana ny sabotsy teo ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, na OJM. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fanambaran’ny filohan’ny holafitra, Gérard Rakotonirina, fa novan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny lalàna, noho izany, tsy handray anjara amin’ny fanaovana ny karatry ny mpanao gazety ny OJM.

Lasa ampidiran-dRamatoa Ministra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy politika ny asa fanaovan-gazety hoy izy. Raha tsy miova io lalàna io, tsy hirotsaka hofidiana ho filohan’ny holafitra intsony ihany koa ny filoha mbola am-perinasa amin’izao fotoana, Gérard Rakotonirina.

Noheverina tamin’izany koa ny hananganana Federasiona, ivondronan’ireo fikambanana mpanao gazety misy eto amintsika amin’izao fotoana. Nambarany fa ny zavatra nataon’ny ministra teo aloha ihany no ezahana averina ankehitriny. Idiran’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny andraikitry ny OJM ( Ordre des Journalistes de Madagascar), hoy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara nandritra izany.

Rehefa nifampidinika tamin’ireo fikambanan’ny mpanao gazety isan-karazany ny biraon’ny OJM dia nanapaka fa tsy handray anjara amin’ny fanaovana ny karatra matihanina ho an’ny mpanao gazety. Endriky ny fitsabahan’ny ministera mpiahy ny fanovana ny lalàna hahafahany mametraka izay tiany hitondra ny OJM. Anisan’izany ny fanovana ao anatin’ny lalàna ny firafitry ny holafitra, izay 15 teo aloha ny mpikambana amin’ny birao miaraka amin’ireo avy any amin’ny faritra, ka ho lasa 88 izany amin’ny lalàna novan’ny ministera ankehitriny. Ny dikan’izay dia ny kandidà hirotsaka ho filohan’ny OJM dia tsy maintsy mahita olona miisa 88 hoy ny fanambarana, izay ho sarotra na tsy ho vita mihitsy ho an’ny kandidà mpanao gazety avy amin’ny tsy miankina. Izany hoe karazan’ny fanilihana ankolaka kandidà te hirotsaka izany, hoy ny OJM.

Ny dikany ihany koa, lasa ho tafiditra politika ny holafitra, satria amin’izao fotoana efa mametraka ny olona avy amin’ny antokony dia ny Freedom manerana ny Nosy ny ministra Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy, ka ireny solontena isam-paritra ireny no anisan’ny ho ataony ho ao amin’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety vaovao.

(Horonantsary FB Fernand Cello)

https://www.facebook.com/fernand.Mah/videos/3840375472659410