EDITO 10 Desambra – Mamilivily resaka toy ny fanaony indray ny fitondrana

Sôh’son

Afaka roapolo andro dia hivalona ity taona 2020 ity. Tato anatin’ny 12 volana latsaka kely izay, dia nibahan-toerana ny krizy teo amin’ny sehatra rehetra teto amin’ny firenena. Raha atao indray mijery, dia tsy nahovoka ny fitondrana Rajoelina niatrika ny zava-misy, izay tsy inona fa noho ny fidiran’ny valanaretina teto amin’ny firenena rehefa nanao kajy nangataka andro tamin’ny fanidiana ny sisintany rehetra na an’habakabaka, na an-dranomasina na an-tanety.

Tsy azo adinoina velively, fa noho izany fanapahan-kevitry ny fitondrana niandry fotoana izany no nahatafiditra ny valanaretina teto amintsika, ary niafara tamin’ny krizy, ny fahavoazana sy fahapotehan’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Fahavoazana izay tsy mbola sitrana ankehitriny ary mbola mitohy. Nisy olom-bitsy nahazo tombony amin’izany, fa ny ankamaroan’ny Malagasy voadaroka tany amin’ny ain-dehiben’ny fihariany sy ny fivelomany.

Ny manorisory tanteraka aza, dia mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tomponandraikitra samihafa teto amin’ny firenena ninia nikimpy namotika ny fiharian’ireo mpandraharaha, sy nanamontsana ny fiainan’ny mpiasa madinika. Mazava loatra fa tsy ho tafarina vetivety ao anaty fotoana fohy, na ankehitriny izany fahavoazam-bahoaka izany.

Miseho manao zavatra ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Atao resaka hanariana dia ny vahoaka indray izao ny amin’ny hoe famerenana ireo zavatra mahakasika ny tamin’ny andron’ny faha-Mpanjaka. Paik’ady hampanginana ireo taranak’Andriana tsy faly velively amin’ny nanorenana ny Colisée eny Anatirova ve izany? Izy ireo efa nilaza marimarina fa tsy maintsy arodana sy kaohina eny io natsangana io na ho ela na ho haingana. Etsy ankilan’izay, tsikaritra fa tsy atao miharihary fa mbola handaniam-bola ny famerenana ireo zavatra ireo.

Midika zavatra be izany. Fa iza no tokony hanome vola ny Malagasy? Iza no nanagorobaka sy nandroaka an-keriny ny haren’ity firenena ity teto nandritry ny taona maro ary mbola ketrehina sy ifotorana mafy hatrany, itadiavana ny fomba rehetra ny hitohizan’izany handritry ny taona maro ho avy?

Familivilian-dresaka fotsiny no betsaka atao eto ankehitriny, mba tsy ifantohan’ny sain’ny vahoaka Malagasy amin’ny tena foto-dresaka mila valiny mazava avy amin’ny fitondrana, amin’ireo raharaha lehibe maro samihafa. Tsy mahavaha ny olam-bahoaka sahirana mafy, amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao anefa izany fihetsiketsehana be atao etsy sy eroa izany.