Fanambarana TIM sy RMDM – Fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana

Araka ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana mahakasika ny fitsingerenan’ny vaninandro nahaterahany, dia tsy misy ny fankalazana toy ny fanao isan-taona.

Ny fandaniana rehetra sy ny fanomezana izay azony dia atolony ho fitsinjovana sy fanampiana ireo vahoaka sahirana tratran’ny kere any Atsimo.

Hisy ny fotoam-bavaka entina hanomezana voninahitra an’Andriamanitra sy ho fiarahabana azy ny Asabotsy 12 Desambra ao amin’ny QG Belera.

Amin’io fotoana io koa no andraisana ireo fanomezana avy amintsika izay manana faniriana hanantanteraka izany ary indrindra ny hanoloran’ny filoha Marc Ravalomanana ny anjara birikiny ho an’ireo havana kere any Atsimo.