Tolo-tanana ho an’ireo kere – 5 tapitrisa Ar latsaka no voaangona tetsy amin’ny Magro Behoririka

Isambilo

Tolo-tanana ho an’ireo havana kere any Atsimo, vola mitentina 5 tapitrisa Ar latsaka, no voaangona nandritra ny 1 andro ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Magro Behoririka.

Nikarakara izao hetsika izao ny tanora, na Jeunes TIM sy RMDM Analamanga, sy ny mpihira Foxy, Malagasy mila ravinahitra any Australia. Noho izay fahombiazana tamin’ny hetsika tolo-tanana nataony izay, mitondra fisaorana mitafotafo ny Jeunes Tim sy ny Jeunes RMDM ary ireo tanora niara- dalana rehetra ho an’ ireo malagasy izay tonga nirodorodo niray hina taminy, nanatanteraka iny andro voalohany ho fanampiana ireo malagasy ianjadian’ny kere any Atsimo ireo.

Mbola mamerina fialan-tsiny ihany koa izy ireo, satria tsy tontosa ny fampisehoana niaraka tamin’ ny artista, noho tsy fahazahoan-dalana nanao izany hetsika niraka tamin’ny artista izany, fa tsy voasakana kosa ny hetsika tolo-tanana. Ireto ny vokatry ny tolo-tanana izay nandraisantsika anjara, ny andron’ny Sabotsy 5 Desambra 2020 teo Magro Behoririka, hoy ihany ny fanambarana:

  • Vola azo : 4 966 800 Ar na 24 504 000 fmg.
  • Vary : 13 kitapo.
  • Akanjo : 2 Kitapo.
  • Vomaina, savony, siramamy : 1 kitapo.

Noho ny hetahetan’ireo olona mbola tsy afaka nitondra ny anjara birikiny ny andro sabotsy teo, ho tohizana ny alarobia 9 , ny alakamisy 10 ary ny zoma 11 Desambra ny tolo-tanana, izay hatao ao amin’ ny Magro Behoririka ihany. Tsiahivina fa tamin’ny tolo-tanana ny sabotsy teo, ny solontenan’ny mpitandro filaminana: Emmo-Reg no nandrotsaka vola fanampiana voalohany tamin’izany.