TONONKALO HO AN’I DADA

(amin’izao ankatoky ny tsingerintaona nahaterahany izao)

Ry dada o, ry dada, mba maodimaodia
Fa mioko isan’andro ireo olon-tsy tia,
Ary tena ny hamingana anao no kendreny,
Ka dia mitandrema fa maro izy ireny.

Mangidy tsy teliny tahaka ny afero
‘Ty ianao “hosena vao mamerovero”!
Nenjehina sady natao sesitany,
Kinanjo tsy maty fa io eo ihany!

Tsy vitan’izany fa mbola mijoro,
Manao teny mamy sy tena manoro.
Mamelona ny afon’ny fanantenana
Amin’ireto vahoaka lazoim-pahantrana!

Ny tombanao, miakatra, miakatra hatrany
Ka misy ireo romotra mafy amin’izany,
Satria dia malaza sy miely eran-tany
Fa tena efa antomotra ny fianjeràny!

Ka ny hany mba teninay dia mahereza
Amin’ity lalan-tsarotra sady mideza,
Satria misy maso mitazana anao,
‘Zay fantaro fa tia sady tsy mba mandao!

TSIMIMALO (08-12-20)