Filoha Ravalomanana – Sahy hatrany, tany Carion sy Manjakandriana indray izy omaly

Marc Ravalomanana - Miantsena sy mitafa - Nandihizana Carion (7.12.2020)

Isambilo

Tao aorian’ny nandraisany anjara tamin’ny tolo-tanana ho an’ireo havana kere any Atsimon’i Madagasikara, teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo, nandalo tany Carion sy Manjakandrina, distrikan’i Manjakandriana, faritra Analamanga indray ny filoha Marc Ravalomanana omaly.

Faravohitra – Fitarafana ny tranon’i Marc Ravalomanana
(Sart FB Tovo Miharisoa, 5.12.2020)

Arak’izany dia sahy hatrany ity filoha nasionalin’ny antoko TIM sy ny RMDM ity, na misy aza amin’izao fotoana, karazana fampitahorana ataon’ny fitondrana azy, amin’ny alalan’ireo mpitandro filaminana sasany. Ny sabotsy teo nanodidina ny trano ipetrahany eny Faravohitra, nisy mpitandro filaminana tonga teny an-toerana tamin’izay fotoana izay, nisy ihany koa teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka.

Na izany aza, nivoaka ny trano i Dada ny sabotsy teo io ary nanefa ny adidiny ho an’ireo havana kere any Atsimon’i Madagasikara. Nambarany tamin’izany, tsy hatahotra ny hilaza ny marina izy momba ny zava-misy eto Madagasikara, ary miantso ireo mpomba azy tsy hatahotra toy izany koa. Anisan’ny vahaolana amin’ny kere any Atsimo hoy izy, ny fambolena sorgho, na ampemba any an-toerana, satria io dia mora maniry raha vao mahazo rotsak’orana kely fotsiny. Nafarana tany Malawi izany tamin’ny fitondrany ary nampiharina teto Madagasikara, ka azo lazaina ho voavaha tamin’izany fotoana izany ny olana ara-tsakafo tany amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha, noho ny fiantraikan’ny haintany. Nambarany fa hitohy izao fanaovana tolo-tanana izao, ary tsy ny any Atsimo ihany no hahazo izany, fa ny Malagasy rehetra sahirana manerana ny Nosy mihitsy, araka ny fanambin’ireo mpikarakara ny hetsika ny sabotsy teo.

Fa tany Carion sy Manjakandriana omaly, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana, fa tiany ny mandeha miantsena, toy ny fanaony isan-kerinandro, fomba iray hitarafana ny fahamorana na fidangan’ny vidim-piainana, ka ahalalana ny tena fiainan’ny vahoaka marina, araka ny nambarany. Tamin’izany koa no nihainoany ny hetahetan’ireo vahoaka sendra azy, momba ny olan’ny vidim-bokatra, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana,…