Fiainam-pirenena – Volam-bahoaka no ampiasain’ny mpitondra fa tsy vola avy any am-paosiny

Andry Tsiavalona

Andro vitsy sisa dia hifidy izay ho loholona ireo “mpifidy vaventy” ary afaka iray volana mahery kely dia ho feno roa taona no nitantanan’ny “Isika rehetra miaraka amin-dRajoelina Andry” ny Firenena. Natao dridrangilo tamin’ny roa taona lasa mahery kely nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny IRD indrindra ny kandidàny, fa raha tonga eo amin’ny fitondrana izy dia ho tanterahiny avokoa izay tsy vitan’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ny 60 taona namerenana ny fahaleovantena.

Ny tsapa tamin’ireny fotoana ireny dia babon’ny zavatra mirentirenty sy mena miraviravy ny roapolo isan-jaton’ny gasy, ka nandatsa-bato ho an’ny filohan’ny Repoblika IV ankehitriny. Tsy azo nafenina anefa fa mbola latsak’io ny salan’isa azony satria niaraha-nahalala ny famakiana bantsilana nataon’ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana, momba ny laharana kara-panondro mitovy efa an-tapitrisa, sy ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka.

Iaraha-mahatadidy, fa betsaka ny fitoriana napetraka teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) kanefa dia namoaka ny didy tsy azo ivalozana ity Andrimpanjakana ity noho ny fitsinjovany ny fitoniana hono. Nanaiky ny didy ihany koa ny mpifaninana tamin’ny fihodinana faharoa, ka nampiseho fanetren-tena ary dia nanaiky sy niarahaba ny nambara fa lany.

Araka izany dia azo lazaina tsy ampihambahambana fa notolorana fahafahana sy fomba (latitude) entina manataneraka ny IEM-ny ny filoha ankehitriny. Tsy ilaina ihany koa, hono, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PTF) mahazatra satria tsy handroso velively ity Nosy ity na telopolo na dimapolo na fitopolotaona raha ireo no hianteherana.

Tsy mbola misy mangirana moa hatramin’ity ny androany na efa tsara mpiantoka nanana ny vonona, nampanantena an-dRajoelina Andry, talohan’ny nitondrany tamin’ny tetezamita, fa hampidinina dimanjato sy roa arivo ny iray litatra amin’ny menaka, sns,…Nilaza ho be sandry sy manampahefana izy rehefa tonga teo amin’ny fitondrana, fa tsy maintsy mampidina ny litatry ny lasantsy sy gazoaly ary solika fandrehitra ny mpanjinjara. Tsy tambo isaina ny fampanantenana nataon-dRajoelina Andry: làlam-pirenena, trano mora vidy (logements sociaux), famongorana ny asan-dahalo amin’ny alàlan’ny fametrahana “puce” amin’ny omby, fampiasana angidim-by sy “drône”, ady amin’ny tsy fahampian-drano any Atsimo, tsy hiandry amin’ny 2030 izany vao handroso Madagasikara, sns… Azo inoana anefa fa tsy misy voarakitra ao amin’ny IEM ny zavatra nezahin’izao fitondrana izao notanterahina, ka anisan’izany ny “Tanamasoandro”, ny tetezana mihantona eny Anosizato sy eny Ampasika, ny “Colisée” eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Midona amin’ny rindrina avokoa ireo rehetra ireo na dia efa notokanana aza ny Rova, izay mbola tsy eken’ny mpandala ny vakoka malagasy ny hiantsoana azy ho “Rovan’i Madagasikara” satria samy manana “Rova” na “Tranobe” avokoa ny Ampanjaka any amin’ny Faritra. Aty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo izao satria na ny “Tantaran’i Madagasikara” aza dia tadiavin’izao fitondrana izao hovaina. Tsy ny “Tantaran’i Madagasikara” loatra no tadiavina hovaina fa miady hametraka ny dian-tànany amin’ny alàlan’ny fanorenana fotodrafitrasa mirentirenty heveriny fa mety hisarika vahiny, toy ny “Tour Eiffel” ao amin’ny reivohitr’i Lafrantsa, Parisy. Nampanontany tena ny mponina teto an-drenivohitra anefa ireny vy narafitra toy ny bolabolan-tany napetraka teny amin’ny “rond point” Antanimena sy Anosy tamin’ny fitondrana tetezamita ireny satria tsy nisy azo namaritana azy sady tsy vakoka no tsy soa toavina. Lokoina lokon-doranjy hatramin’ny trano misy sampanasam-panjakana sy sekoly izay maneho fahalemena sy tahotra sao tsy fantatry ny olona, fa ny mpitondra no nitokana azy ireny. Tsara ho marihana anefa fa tsy vola avy any am-paosin’ny mpitondra no nentina nanorenana azy ireny fa volam-bahoaka.

Aza manao tsikovo-drano na foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ihany ny rano.