EDITO 8 Desambra – Fifidianana loholona – Tsy mpifidy vaventy ireo hifidy, fa mpifidy faran’izay madinika

Ny Valosoa

Atao amboletra, ho tanterahina amin’ny zoma 11 Desambra 2020 izao ny fifidianana ireo “loholona” miisa 12: izany hoe 2 isam-paritany , ho lasa 18 ny isan’ireo “loholona” satria hanendry 1 isam-paritany Ingahy Filoha.

Tsy fifidianana andraisan’ny vahoaka anjara io amin’ny zoma io, f’ireo olomboafidin’ny kaominina no handatsa-bato dia ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna, “mpifidy vaventy” no iantsoana azy ireo, nadika avy amin’ny teny frantsay hoe: “grands electeurs”, eo no mampisalasala satria toa mahasadaikatra be ihany ny hiantso azy ireto ho “grands”, satria ny fomba nahalany azy ireto dia aleo tsorina, fa tamin’ilay lisi-pifidianana feno hosoka novakian’i Thierry Rakotonarivo am-batolampy ny tsy maha ara-dalàna azy. Raha ny teto Antananarivo Renivohitra manokana indray dia nisy ny fandikan-dalàna, satria tokony ho ilay lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana depiote ihany no tokony ho nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, sy ireo mpanolotsain’ny tanàna. Kanefa dia marobe ireo birao fandatsaham-bato nanova, dia nekena ny vokatra.

Ankoatr’izay ny voalazan’ny lalàna dia tokony ho mpifidy amin’ny fifidianana “loholona” ireo olomboafidin’ny faritra sy faritany, saingy tsy notanterahan’ny fitondrana ny fifidianana tany amin’ny faritra sy ny faritany. Ny antony dia tsotra, matahotra ny safidimbahoaka ny fitondrana. Ny fehin’izany rehetra izany dia tsy “grands electeurs” no mendrika iantsoana ireo olomboafidin’ny kaominina ireo fa “les plus petits des electeurs”, na ny faran’ny madinika amin’ireo mpifidy.

Isika olompirenena tsy very zo no tena “grands electeurs”, satria isika no mpifidy mandray anjara mivantana amin’ny fifidianana goavana indrindra eto amin’ny firenena dia ny fifidianana filohampirenena, sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna, ireo no olomboafidy manana ny fahefana tsy azo hozongozonina, noho izany dia entanina isika olompirenena rehetra mananjo hanamarina ny anarantsika any amin’ny lisi-pifidianana ary ireo tanora feno taona amporisihana hanoratra ny anarany.

Maro amintsika no miteny hoe tsy ilaina intsony ny mifidy, satria tsy maintsy hangalatra foana ry zareo. Misy fahamarinany izany, kanefa amin’ny ampahany ihany, satria arakaraky ny tsy isoratan’ny olona any amin’ny lisi-pifidianana no vao mainka manome vahana ireo tompon’andraikitra havanana amin’ny hosoka, sady arakaraky ny tsy fahatongavan’ny olomarina mifidy no mampandresy ny mpamorika firenena.

Fa ny tena zava-dehibe tsy azo amaivanina dia tokony hatao ny fanadihadiana mikasika ny lisi-pifidianana feno hosoka nahalany an-dRajoelina sy nahazoan’ny antokon’ny fitondrana ireo depiote maro an’isa sy ireo ben’ny tanàna, sy mpanolotsainan’ny tanàna marobe, andrandraina hanao izany ireo “loholona” amperin’asa izay nofidian’ireo tena “mpifidy vaventy” na “grands electeurs” tena izy, mbola tsy lany fotoam-piasana ireo tena loholona ireo, mbola afaka mampiasa tsara ny fahefana ananany.