Talata Volonondry – Kits scolaire tao an-tsena no novidian-dRavalo ho an’ireo mpianatra

Ny filoha Ravalomanana nividy kits scolaires ho an’ny mpianatra, tao an-tsena teny Talata Volonondry.

Isambilo

Tao aorian’ny tany Soavinandriana faritr’Itasy, sy tany Tsiroanomandidy faritra Bongolava, nihaona mivantana tamin’ireo tantsaha sy vahoaka teny Talata Volonondry distrikan’Antananarivo Avaradrano faritra Analamanga indray ny Filoha Marc Ravalomanana ny talata teo.

Niantsena tao amin’ity tsena anisan’ny malaza eto amin’ny faritra Analamanga ity i Dada sy ireo mpanara-dia azy, tamin’izany no nanararaotana nihaona tamin’ireo mpivarotra, ireo tantsaha, eny hatramin’ireo mpianatra ao amin’ity tanàna ity. Nandritra izany, tsy nisalasala namoaka ny fitarainany manoloana izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao ireo mponina, rehefa nifananakalo hevitra tamin’izy ireo ny filoha Ravalomanana nandritra ny fandalovany tao amin’ity tsenan’ i Talata Volonondry ity.

Anisan’ny fitarainan’izy ireo ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fahalafosan’ireo kojakoja samy hafa ilain’ny tantsaha amin’ny famokarana, ny olan’ny rano, sy ny maro hafa… Anisan’ny mampalaza ny any an-toerana koa ny saosisy sy ny koba, manana olana amin’ny mpitantana ny tanàna ireo mpivarotra satria tsy avela hivarotra amoron-dalana intsony, ny tena varotra ataon’izy ireo anefa dia eny amoron-dalana amin’iny lalampirenena faha-3 (RN3) iny, satria ireo mpandalo amin’ny fiara no tena mividy ny saosisy sy ny koban’izy ireo, ka mananosarotra izy ireo raha hampidirina any an-tsena.

Fa niavaka ny fihetsik’i Dada tamin’ireo mpianatra sendra azy, nandritra izao fidinana teny anivon’ny vahoaka izao, ireo kits scolaires na fitaovam-pianarana tao an-tsena ihany no novidiany ary nomeny ireo mpianatra tao Talata Volonondry. Samy nahazo ny anjarany arak’izany, na ireo mpivarotra, na ireo ankizy mpianatra. Naneho ny hafaliany izy ireo ary nanambara fa hafa ihany ny filoha Marc Ravalomanana. Vonjeo ihany koa izahay tantsaha hoy izy ireo, fa tena mijaly ankehitriny araka ny fitarainany.