Filoha Marc Ravalomanana – Hihaona hatrany amin’ny tantsaha sy ny vahoaka

Helisoa

Na eo aza ny fampitahorana sy ny fanakantsakanana, hihaona hatrany amin’ny tantsaha maro an’isa, sy ny vahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsy afaka ao an-tsain’ny Malagasy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana, na efa 10 taona mahery izy no tsy teo amin’ny fitondràna intsony. Maro be ny zava-bitany teo amin’ny fitondràna, izay nibahana tamin’izany ny mahasoa ny vahoaka, fa tsy ny mahafinaritra fotsiny. Ka na misy fahasarotana aza ny fanatanterahana ny asa dia atao satria izay ilay mahasoa.

Amin’izao, izay tany alehany manerana an’i Madagasikara dia vahoaka marobe no tonga mihaino sy mijery maso azy. Tsy mamory olona velively izy, amin’ny faritra izay lalovany, fa avy hatrany ny vahoaka dia manatona sy miantsoantso azy mitaraina hoe ‘vonjeo zahay Dada’. Izay no mahatonga ny fitondràna ankehitriny mihoatra ny fefy noho ny tahotra loatra, ka lasa manao ny tsy fanao. Any an-tokontanim-piangonana avy ve no itondràna zandary mirongo fiadiana hampitahorana azy? Maro ny fanapotehina natao tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, fa mbola mijoro hatrany izy manarina ny efa rava. Raha olon-kafa no toa azy angamba efa tsy hay intsony, fa dia efa nifotetaka tamin’ny tany nihomehezan’ny olona teo sisa.

Fa ny tena maha hafa ny filoha Marc Ravalomanana dia ny fitiavany ny tanindrazany. Nisy ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 notarihin’ny filohampirenena amin’izao fotoana izao, Andry Rajoelina sy ireo forongony. Voatery nanao sesitany ny tenany tany Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana, sy ny fianakaviany tamin’izany. Manoloana izany anefa dia nitady ny hevitra rehetra hiverenany eto Madagasikara ity farany na dia fantany aza fa tsy ho mora ny zavatra hiandry azy eto an-tanindrazana raha vao migadona eto ny tenany. Neny Lalao Ravalomanana aza renim-pianakaviana saika hody hitsabo an-dreniny narary, tosika sy vono ary fandroahana no nahazo azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, niaraka tamin’ny vinantovaviny. Nafoin’ny filoha Ravalomanana avokoa anefa ny tombontsoa marobe tokony ho azony tany an-tsesitany, fa naleony nody teto an-tanindrazana noho ny fitiavan-tanindrazana tao anatiny. Ny filohampirenena sasany teto vao tsy teo amin’ny fitondràna dia any andafy no mipetraka, tsy manisy maso ny tanindrazana, nefa tsy misy manenjika azy akory. Rehefa hanomboka ny fampielezan-kevitra vao mody eto an-tanindrazana milaza hatsanga tsy aman’orana.

Ankoatra izay, mijoro izy ary mbola nahavita ezaka lehibe, na teo amin’ny lafiny finoana amin’ny naha lehiben’ny jobily faha50 taonan’ny FJKM, sy faha200 taona nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara azy. Teo koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka, izay nodradradradrainy hatrany ny hijeren’ny fanjakàna ny vahoaka Malagasy, efa tratry ny fahantrana lalina ankehitriny.

Inona ary no tena hatahoran’ny fanjakàna ny filoha Marc Ravalomanana? Tsy mpanongam-panjakàna izahay ary tsy mitady toerana hoy izy, fa ny tombontsoa ho an’ny Malagasy no antony hijoroanay antoko mpanohitra, mba ho arofanina amin’ny fitondràna ny firenena. Tsy misakana anareo hanao ny asanareo izahay hoy ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana, fa miteny kosa rehefa misy zavatra hitanay fa tsy mahasoa ny firenena ataonareo. Ka inona no mampitahotra ny fitondràna amin’izany? Anareo avokoa anie ny ankabeazan’ny kaominina eto Madagasikara e! Anareo ireo depiote maro an’isa. Ny loholona atsy ho atsy efa ho 100% IRD. Ny mpitondra efa milaza fa vitsy an’isa ireo manohitra fitondràna, fa marobe ny vahoaka manaraka azy. Koa inona no hatahorana ny filoha Marc Ravalomanana?

Sao kosa aza, ka mahana tamin’ny fanonganam-panjakàna natao tamin’ny 2009 ny mpitondra ankehitriny, ka hoe sao hanongana azy ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana? Tsy hisy hanongana ianareo, fa raha izao fomba fitantananareo ny firenena izao no mitohy dia hiongana ho azy tsy hisy mpanongana. Enjeo foana ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara sady filohan’ny antoko mpanohitra RMDM, fa vao mainka manalavitra anareo amin’ny vahoaka izany, fa mampisongadina ny filoha Ravalomanana Marc hatrany hatrany.

.