Potika ny firenena – Manjaka ny fahalovana, nefa toa miala andraikitra ny FFKM

FFKM 2020 - Razanakolona Odon - Irako Andriamahazosoa Ammi - Ranarivelo Samoela - Rakotozafy Denis

Ny Valosoa

Migadona ny volana desambra volana mamarana ny taona, sady hiandrandràna ny fotoan-dehibe ho an’ny finoana kristiana dia ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo natera-behivavy. Hifarana rahateo koa ny taona 2020, izay nisedran’izao tontolo izao fahasahiranana tamin’ny endriny samihafa, anisan’ny niaina izany isika malagasy.

Ho antsika malagasy manokana, mpandala ny finoana kristiana dia manana ny toerany ny taona 2020, satria feno 40 taona ny nijoroan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), ireo fiangonana tranainy ara-tantara no mandrafitra ny FFKM, ka ny hevitra niraisana dia ny hoe: « Mba ho iray ihany isika eo anatrehan’ny tompo », mazava fa ny firaisampinoana no lolohavina miaraka, ankoatr’izay dia vaindohandraharahan’ny FFKM ny fijeren’ny rehetra izay mahasoa ny firenena. Voaporofo izany tamin’ny fandraisana andraikitra tamin’ny taona 1991 sy 2002, fa tsy azo adinoina ny tsy fahombiazan’ny FFKM tamin’ny 2009, niezaka nanarina ny tsy mety ireo ray amandrenim-piangonana, ka tonga tamin’ny fametrahana ireo teny efatra miatomboka amin’ny F dia ny 4F: Fienken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana, teny filamatry ny FFKM tamin’ny taona 2013, ary tamin’ity taona 2020 ity nanamarihana ny faha40 taona dia ny tao amin’ny Korontiana Voalohany, Toko Voalohany, Andininy 10b izay mivaky hoe : « Aoka hiray saina sy hevitra ianareo, ka hivondrona tsara », no noraisina ho filamatra izay tsy manafoana velively ny 4F izany.

Nosembanin-drahona ny FFKM tamin’ity taom-pankalazana ity satria nodimandry ny filoha amperin’asa, ny Pasitora Rakotonirina David Filohan’ny FLM, ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay tokony ho filoha amin’ny taona 2021 no nandray ny fitantanana ny FFKM.

Tamin’ny Alahady 29 Novambra 2020 teo dia ny nisy ny fotoam-pivavahana lehibe tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny faha40 taona ny FFKM, nanaitra ny tenin’ny Filoha, ny Arseveka Mgr Razanakolona nanao hoe: « Nahoana no tsy mifanatona ny mpanao politika raha fihavanana ara-politika no tiana hapetraka, ireo efa samy lehilahy lehibe ireo ve dia tsy mahay mifandamina», nambarany ihany koa fa tsy voatery hiandry ny FFKM ny fampihavanampirenena.

Mivoana amin’ny lalana tsy tokony halehany ny FFKM satria ny olana eto amin’ny firenena anie, ka tsy fifanolanana eo amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Rajoelina, fa fahasahiranana vokatry ny tsy fahombiazan’ny fitondran-dRajoelina, izay gaboraraka tanteraka, tsy mijery izay mahasoa ny vahoaka, fa variana amin’ny resaka tsy mahomby, ny resa-pety sy fisehosehona no voizina mafy hanampenana ny masom-bahoaka efa domelin’ny fahantrana, tsy omena vahana ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny volambahoaka sy ireo fanampiana avy any ivelany, ny hambara ho tetikasa fanarenana ny aimpirenena indray, tsy mifantoka amin’ny sosialimbahoaka, fa mirona any amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsy ihinanan-kanina, tsy ao an-tsain’ny fitondrana mihitsy, fa vahoaka noana, nolazoin’ny aretina no misy eto Madagasikara.

Aleo hambara mazava, fa ny fototry ny olana tamin’ny taona 2009, dia ny tsy fahazakan’ireo mpomba ny filoha ankehitriny ny fampandrosoana nentin’ny Filoha Ravalomanana, ka nampisy ny fanonganampanjakana, ary mbola tahotra ny fijoroan’ny fahamarinana eto amin’ny firenena no mahatonga ny fanakanana an’i Dada etsy sy eroa, hatreny an-tsena, ka hatrany am-piangonana.

Ny teny filamatry ny faha40 taonan’ny FFKM dia mitaky firaisan-tsaina sy hevitra, mba hivondrona tsara, tsy mifanipaka velively amin’ny 4F izany.

Ho avy tsy ho ela ny “ Noely na Krismasy ”, hankalazana ny nahaterahan’ny mpamonjy, ny mpino kristiana dia mifaly avokoa rehefa tonga io andro lehibe io, saingy ny mampalahelo dia toa zary nohadinoina ny toe-javatra nampalahelo tamin’izany, dia ny famonoan-jaza nataon’i Heroda mpanjaka lozabe, ankehitriny anefa dia manjaka eto amin’ny firenena malagasy ny fanahy ratsin’i Heroda, hita izany amin’ny karazan-kosoka sy halatra mahazo vahana eto amin’ny firenena, ny fanamparam-pahefana amin’ny endriny samihafa, ny fanaovana tsinontsinona ireo vahoaka tratran’ny kere any atsimo, fa toa ariana dia amin’ny resaka tsy mahavaha olana, ireo voalaza rehetra ireo dia endriky ny famonoana zaza avokoa, fa ny zava-doza indrindra dia ny fisian’ny fanolanan-jaza lahy sy vavy manerana ny nosy, izay tsy ara-boajanahary tsy mifanaraka amin’ny finoana kristiana sy ny fahendrena malagasy, izay anaovana fanamarihina manokana, fa tsy misy idiran’ny fifanolanana politika eo amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Rajoelina.

Aleo tsiahivina fa noraisin’ny Filoha manokana ireo ray amandrenim-piangonana efatra mirahalahy tamin’ny fiandohan’ny taona, taorian’izay dia toa nangina tsy niloa-bava izy ireo, kanefa dia nanjaka tanteraka teto amin’ny firenena ny fahalovana tamin’ny endriny maro, dia alaim-panahy ireo mpanara-baovao sasany ka miteny hoe: sao kosa efa namboarin’Ingahy Filoha tany ry zalahy ireo, eritreritra sendra mandalo ihany izany, satria olon’Andriamanitra ireo, azo antoka fa hiray saina sy hevitra ary hivondrona tsara hampanjaka ny 4F eto amin’ny firenena, ary anterina mafy dia mafy fa tsy vato misakana amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ny Filoha Ravalomanana, koa miandrandra ireo ray amandrenim-piangonana ny vahoaka malagasy amin’izao fahatongavan’ny Asaramanitra izao.