3 Desambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina izao manaraka izao satria tena mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny amin’ny ataon’ny mpitondra.

Tena hita hoe ny tahotra no lehibe indrindra. Hatrany am-piangonana aza ireto lazaina ho mpitandro ny filaminana no manakana ny filoha RAVALOMANANA, noho ny tahotra, kanefa dia olona lazaina fa resy lava. Ny mahagaga dia harifitaovana tsara ry zareo mankany am-piangonana, kanefa ny mandeha miady amin’ny dahalo, zara raha manana basim-borona.

Izahay ve no diso fijery, sa izany mihintsy no asa anakaraman’ny Vahoaka ny Polisy sy Zandary? Hapetraka aminao manantsaina ny fanontaniana: zarao ho hitan’ny rehetra. Efa tena olona tsy milamin-tsaina izao fitondrana Rajoelina izao, sy ny mpiara-dia aminy.

Taiza teto ambonin’ny tany no nisy hoe olona andeha hivavaka dia andefasana mpitandro filaminana?? Mba valio kely hoe azafady?? Fa an’ny anadahindreninareo angaha ny fiangonana, sa anadahindreninareo Jesosy Kristy, ka ianareo no manakana sy mampihorohoro izay olona hivavaka aminy? Hafa kely, fa mba hasio fandinihina ihany e! Sa efa lasanareo ihany koa ny fanjakan’ny lanitra ry mpitondra sy ny forongony??

Henintsoa Rasitrakiniaina
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao