FIFIDIANANA LOHOLONA

Efa fantatra mialoha fa anareo ny fandresena,
Ka nahoana indray izato izy no misento mahonena?
Tsy mba manam-pifaliana fa somary toa kizitina,
Ary miaka-pofona aza nony sendra mba rangitina?

Tsisy indray ny mpifanandrina ka mba menatra ny tena
Fa tsy hampisy voninahitra ity karazam-pandresena?
Hany sisa tetikady dia ny hanambitamby indray,
Na koa hividy ny safidin’ny “tsy foza” any aminay?

Dia izany hatrany ve no fifidianana hifanesy?
Ireo izay “mahakolikoly”, ireo hatrany no handresy?
Sa hanendry “rambon’olona” no anton’ito fifidianana,
Dia ireo izay mora ahodina ka atao “mpanangan-tanana”?

Na ho maro ny “vaventy” izay ho tonga handatsa-bato,
K’anareo ny fandresena dia ny “zato amin’ny zato”.
Tsotra ihany no azo ambara : ny vahoaka efa leo
Ka dia tsy hisy hasina aminy ianareo voafidy eo!

DADAN’i ZINA (28-11-20)