Depiote TIM – Tsy mahasoa ny vahoaka ny tetibolam-panjakàna 2021

TETIBOLA 2021: Ireo depiote TIM teny amin’ny CCI Ivato.

Helisoa

Nolanian’ny depiote 93 ny zoma teo ny tetibolam-panjakàna hiasàna ny taona 2021, teny amin’ny CCI Ivato. Manoloana izany indrindra dia nivoaka ny trano fivoriana ny depiote Tiako i Madagasikara (TIM), satria tsy te-hiray tsikombakomba amin’ny fandaniana io tetibola tsy mahasoa ny vahoaka io ny solombavambahoaka TIM, araka ny fanambaràna nataon’ny mpitondra teniny, ny solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa, voafidy tao amin’ny boriboritany voalohany.

Famitaham-bahoaka hoy izy no betsaka ary tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka velively ny tetibolam-panjakana 2021. Nahena avokoa hoy izy ny anjara volan’ny ankamaroan’ny ministera ary natao tsinontsinona ny sehatra tsy miankina, izay tena hozatry ny toe-karena.

Ankoatr’izay, sehatr’asa sasantsasany navahana noho ny antony tsy fantatra. Tsy nisy ny “conférence budgétaire” ary tsy manaja ny voalazan’ny lalàm-panorenana, sy ny lalàna velona ny fomba nandinihana ity LFI 2021 ity.

Mivangongo loatra any amin’ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana, hany ka na ny tetibola hampihodinana ny Antenimierampirenena aza dia mbola nolazaina, fa ho entina any amin’i Prezidà. Manginy fotsiny ny valy boraingina isan-karazany tany anaty asam-baomiera.

Noho izany rehetra izany dia tsy nandray anjara tamin’ny fandaniana ny LFI 2021 ireo Depiote avy amin’ny Tiako i Madagasikara.

https://www.facebook.com/100007920066152/posts/2840549379552370/