HAZAKAZAKA HAFA KELIN’NY MPITONDRA TSY MAMELY!

Hazakazaka hafa kely ity hatao eto an-tanàna,
Entina mba hanafenana ny loto sy ny fahantrana.
Miomankomana ny ngeza, hisy ny handray fiaingàna.
(Aza gaga fa tsy vitsy ireo mitombo hadalàna!)

Hazakazaka hafa kely anaty rivotra maloto.
Inoana fa tsy hamparisika ary tena tsy hampazoto.
Apetaka ny arovava, mbola izay no toromarika,
Ka raha olona mandinika dia angamba tsy ho voatarika!

Hazakazaka hafakely anaty fako be miavosa.
(Tena andraikitrao mpitondra saingy indrisy tsy tontosa!)
Toa miampanga anao sahady ho tsy mitana izay nekena,
Ka manodinkodin-dresaka hoenti-manamarin-tena!

Hazakazaka hafa kely “tena diso vaninandro”.
Firy moa no efa tsy mihinana, firy no efa tsy mahandro?
Saingy izany dia tsy sakana ho an-dry sola sy ny tariny,
Fa vao mainka ny hadalana sy hagegena no hampariny!

Hazakazaka hafa kely, tsy laharam-pahamehana.
Tsy hitsarana ny mpitondra ho manana fahamendrehana!
Ka ny mponina eto Iarivo, aoka kely tsy hofitahiny,
Fa ny fako sy ny loto, ireo no “mari-boninahiny”!

TSIMIMALO (04-12-20)