EDITO 28 Novambra -Ministry ny fitantanam-bola – Anisan’ny tsy mamely ao amin’ny fitondrana

Sôh’son

Madiva hifarana ny volana faha-11 amin’ity taona diavina ity. Madiva hifarana araka izany koa ny taona izay nahadiso hevitra ny maro ny momba azy ny amin’ny hoe 20/20 na 20 amby 20. Nandiso fanantenana ny vahoaka ihany koa ny fitantanana natao teto amin’ny firenena satria nisongadina ny zara vilana. Nisy nahazo ny tsinjo ara-tsosialy, fa nisy kosa niàla maina nandritry ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana, ary nanerana ny Nosy izany tranga izany. Tsy nisy vahaolana mihitsy mba hitany sy nentin’ny fitondrana namaha izany nandritry ny krizy ara-pahasalamana, sy mandraka ankehitriny.

Ny lafiny ara-toekarena ihany koa no anisan’ny voa mafy. Nifohafoha volo mihitsy io sehatra io amam-bolana maro ary mbola be ezaka fanarenana vao hiverina amin’ny laoniny. Vokatry ny valanaretina covid-19 avokoa izany rehetra izany. Hita ihany koa anefa fa tena misy antony avy amin’ny fitondrana mihitsy no anisany mampihisatra ny fizotry ny raharaha. Ny fomba fiasany izay entin’ireo lazaina manam-pahaizana notsongaina tamin’ny maro ho mpiara-miasa akaiky amin’ny Filohan’ny Repoblika, ary izy tenany ihany koa no nifantina azy.

Miteraka resabe ankehitriny ny volam-panjakana tsy hita pesimpesenina very isan-taona, vokatry ny fampiasana sy fikirakirana fitaovana iray lazaina ho arifomba sy manaraka ny teknolojia môderina ary ny toetrandro ankehitriny dia ny logiciel Augure fitantanana ny mpiasam-panjakana sy ny karamany. Tompon’andraikitra amin’izany ny ao amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tarihan’ny ministra Richard Randriamandranto, anisan’ny ahitana ny tsy fahaizany io tranga iray io, izy dia anisan’ny ministra tsy mamely ao amin’io fitondrana Rajoelina sy tsay Christian io. Tsy azo ekena ho vitavita ho azy amin’izao izany fahaverezam-bola izany, raha ny zava-misy iainam-bahoaka sy ny manjo ny firenena amin’izao fotoana izao. Raha tany amin’ny orinasa tsy miankina ve dia hanatsotsotra izany amin’izao fotsiny? Tsy maintsy misy ny fepetra raisin’ny tompon’ny orinasa amin’izany amin’izay rangory fototry ny afo miteraka fatiantoka ny orinasa. Raha volam-panjakana kosa, volam-bahoaka izany. Ny vahoaka anefa ao anaty fahasahiranana lalina amin’izao fotoana izao. Io volabe very io mahavonjy olo-maro, na misy fiantraikany amin’ny toekarem-pirenena raha tsara tantana tsy tonga amin’izao fahaverezany izao. Mbola hoezahina ho takontakonana toy ny raharaha hafa andrasan’ny mpanara-baovao tato ho ato indray koa ve io?

Nikororosy fahana izaitsizy ny toekarem-pirenena tamin’ity taona ity. Nitotongana hatrany amin’ny -3,2% ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena. Novinavinaina ho tonga tany amin’ny 4% mahery anefa izany tany am-piandohan’ny taona, ka hihoarana ny taha tamin’ny taona 2018 izay teo amin’ny 4,8%. Io taha io anefa dia latsaka ny tamin’ny taona 2018 izay mbola nahateo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina, izay tonga tany amin’ny 5,2% ny taha fitomboana ara-toekarena. Izany hoe tsy nahavita nihoatra ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena nisy tamin’ny mpitondra teo alohany ny fitondrana ankehitriny na dia azo lazaina ho tomombana avokoa aza ny fepetra takiana na ilaina amin’ny fampandrosoana firenena. Nihotsaka be ny toekarena tamin’ity taona ity, ary ny vina dia heverina ho tafakatra any amin’ny 4,2% eo indray izany amin’ny taona hoavy. Amin’ny fomba ahoana no hahatongavana amin’izany. Tamin’ny fotoana nilamina tsy nisy krizy aza tsy tafavoaka ny fitondrana nampitombo be ny taha-pitomboana ara-toekarena, mainka ve fa izao nisedra krizy maro samihafa izao. Midika mbola tsy fahafehezan’ny ministra Richard Randriamandranto ny asany koa io. Io maresaka ankehitriny io koa aza ny lesoka ataon’ny eo amin’ny fitantanam-bola isan-taona. Ary iaraha-mahita ihany koa ny hadisoam-pihetsika amin’ny fanohintohinana mpandraharaha sy orinasa Malagasy tsy miankina amin’ny fanjakana, izay singa lehibe iray andrin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Ka moa tsy toy ny manonofy ihany ve izany ny tomponandraikitra mitantana ny tetibola sy ny volam-panjakana, sy ny mpitondra eto amin’ity firenena ity? Sa mpanao fahagagana?

Fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny ny eritreritra manonofy no mandeha aloha. Hany ka atobatobaka fahatany amin’izay alehany any fotsiny ny fampanantenana maro samihafa. Dia iaraha-mahita ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena eo amin’ny fanatanterahana izany. Ary tsy misy azon’ny fitondrana ankehitriny ialàna intsony amin’izay manjo ny vahoaka sy ny firenena ankehitriny sy ny toerana misy azy izao, fa tena tompon’andraikitra izy.