Fiainam-pirenena – Tsy tokony hampijaly ny Malagasy ny rano sy vary

Ny Valosoa

Nandalo tany Tsiroanomandidy renivohitr’i Bongolava ny Filoha Ravalomanana omaly Zoma 27 Novambra, toy ny mahazatra azy dia nitafatafa sy nihaino ireo tantsaha sy ireo mponina tany an-toerana ny tenany, zony tanteraka ny manao izany amin’ny mahaolompirenena azy. Ankoatran’ny fahasahiranana efa mahazatra, dia nisongadina tamin’ny fanamarihana nataon’ny Filoha Ravalomanana ny olana sedrain’ny vahoakan’i Bongolava eo amin’ny famatsiandrano sy fahitana ny vary atokona.

MIKASIKA NY RANO

Tsy tokony hisedra fahasahiranana isika malagasy eo amin’ny fahazoana rano fisotro sy idiovana, satria ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara dia samy lalovan’ny renirano avokoa, na ny any amin’ny faritra atsimo anjakan’ny kere aza dia ahitana ny reniranon’i Mandrare, Mangoky, Onilahy, Ifaho, Fiherenana sns…

Tsiahivina fa tamin’ny fitondrana tetezamita notarihan’ny Filoha ankehitriny dia fahavakisana no nanjo ny fefilohan’ny Fiherenana fa tsy faharitrana akory, ny dikan’izany rehetra izany dia misy ny rano eto amintsika f’ireo mpitondra no tsy mahay mifehy azy, ny marimarina kokoa dia tsy te-hisahirana amin’izay manjo ny vahoaka ireo nahazo fahefana, fa faly fotsiny higoka ny tombontsoa azo amin’ny toeram-pandalovana.

Ny Filoha Ravalomanana no hany mpitondra nametraka fandaharan’asa mazava amin’ny famatsiandrano ho an’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara, nisy mihitsy aza ny fanamby mety ahatonga antsika malagasy ho mpanondrana rano any ivelany, kanefa akory atao fa tsy tanteraka izany hatramin’izao vokatry ny fanonganampanjakana tamin’ny 2009, sy ny hala-bato tamin’ny 2018, dia izao isika malagasy mbola mangetaheta ambony lakana izao.

VARY IHANY NY ANAY MALAGASY

Mazava tsy azo iadiankevitra ny hiran’i Ramboatiana Etienne manao hoe “vary ihany ny anay malagasy”, satria foto-tsakafontsika malagasy ny vary, manan-kery ho an’ny faritra rehetra izany fihinanam-bary izany, ary aza adinoina f’isika malagasy rehefa tonga ny ora fisakafoana dia tsy miteny hoe ndao hisakafo fa ndao hihinam-bary, ny mampalahelo anefa dia mihena ny fanjifana vary ho an’ny fianakaviana maro, raha intelo isan’andro fahiny dia mihena ho indroa na indray mandeha sisa, ary ny fatran’ny vary atokona koa nilatsaka be dia be, fa raha nafatra tamin’ny kapoakan-dronono Nestlé fahiny dia tsy izany intsony, fa ny kapoakam-boatabia Madco no miasa ankehitriny.

Tsy takatry ny rehetra ny vidiny, ny tantsaha malagasy na dia mazoto miasa aza dia tsy tafavoaka satria tsy maharaka ny ho enti-manana amin’ny fahazoana vokatra ampy sy tsara kalitao, ireo mpitondra tsy mijery izay fahasahiranan’ny tantsaha, ny teti-bola nasiam-panitsiana tamin’ny fivoriana ara-potoanan’ireo fahefana mpanao lalàna farany teo, aza moa nahena indray ho an’ny ministeran’ny fambolena, tsy mandry fahalemana koa ny tantsaha, fa manjaka ny asan-dahalo sy ny hala-botry, ireo mpijirika manararaotra amin’ny fividianana mora ny akotry jeren’ny fitondrana fotsiny, misy mihitsy aza olona akaikin’ny mpitondra mirotsaka amin’ny fanambakana ny tantsaha.

Ny vahaolana hitan’ny fitondrana hamatsiana vary ny vahoaka malagasy dia ny fanafarana vary any ivelany, izay misy sarany be dia be, voatery tsy maintsy amidy amin’ny vidiny mitovy amin’ny vary eto an-toerana anefa ireny vary nafarana ireny, ny vokatr’izany dia matetika manentsina ny banga ny fitondrana, izay midika hoe nanome fanampiana ireo tantsaha any ivelany toy ny any Pakistan, Chine, sns… Ireo orinasa nomena ny tsena tamin’ny fanafaram-bary araka ny nambaran’ny Filoha Ravalomanana tany Tsiroanomandidy, dia mpandraharaha vahiny izay tsy mitsinjo ny maha foto-tsakafon’ny malagasy ny vary, fa dia ny fakana tombony mihoa-pampana ihany no masaka an-tsain’ireny vahiny ireny.

Tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana no nahatsapan’ireo tantsaha, fa misy mpitondra mitsinjo ny fiainany, nomena ny enti-manana rehetra ny tantsaha, na zezika na masomboly voafantina, tamin’ny alalan’ny tetikasa PSDR, nisy koa ny fanampiana ara-bola izay tsy averina raha tsy efa fotoana fiakaran’ny vokatra, na koa fanampiana tsy averina intsony na averina ihany fa amin’ny ampahany , ny vokatr’ireo tantsaha dia vidian’ny “Fanamby Rice Meal” amin’ny vidiny ara-dalàna tany amin’ny faritra Alaotra sy ireo faritra mahavoka-bary, fay tanteraka ireo mpijirika mpanararaotra ny tantsaha. Ankoatr’izany ny lalana namoahan’ny tantsaha ny vokatra vita ara-dalàna, sady tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy miala lavitra ny tanànany ireo tantsaha, fa ny fiarabe miaraka amin’ny mizana no manatona ny tantsaha, mividy ny vary akotry.

Ny fisian’ireo ezaka goavana nanampiana ny tantsaha ireo no nahatonga ny fanonganampanjakana, sy ny fisakanana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny alalan’ny hala-bato.

Efa mahalala ny marina ny malagasy ankehitriny, satria na ny rano na ny vary dia samy tsy tokony hampijaly antsika malagasy velively, hatramin’ireo vahoaka tratran’ny kere any atsimo dia efa tsy ho voambaka intsony amin’ny aoriana.