Kolikoly ao amin’ny Tafika – Misy maka volabe amin’ny “rengagement”

Helisoa

Nanomboka ny taona 2009, nisian’ny fanonganam-pajakàna teto amin’ny firenena dia miha- rava hatrany ny soa toavina eo anivon’ny tafika Malagasy dia ‘ny ho an’ny tanindrazana‘. Ankehitriny vao maika miha-ratsy satria dia lasa tafiditry ny resaka politika tanteraka, hany ka tsy ilay fahaizan’ny tsirairay intsony no hametrahana azy eo amin’ny toerana iray tokony hisy azy fa ny akamakama no mahazo ny toerana.

Raha nitana toerana tamin’ny fitondràn’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ohatra ny miaramila tsotra na manamboninahitra iray dia esorina iny satria hoe HVM na dia mahavoafehy ny asany aza io olona io ary tsy nieritreritra ny tenany ho mpanao politika, fa nanao ny asany araka ny nanendrena azy fotsiny. Ny tandroka aron’ny vozona izany anefa dia tsy tokony hisy resaka politika, fa na iza na iza mpitondra eo dia iny no tompoina hoy izay fitenenana izay. Tsy vitan’izay ihany fa misy ny mitaraina, fa anjakan’ny kolikoly ny fidirana eo amin’ny tafika rehefa vita ny service 2 taona ataon’ny vata miaramila iray, na ilay antsoina hoe: “rengagement “. Tena mivarotra tanimbary mihintsy vao mahazo “rengagement”, hoy ny fitarainan’izy ireo nampitainy tamin’ny gazety. Voalaza fa mahatratra hatramin’ny 5 na 6 tapitrisa ariary ny vola alaina amin’izany. Io dia voatondro fa ireo lehibe no maka izany vola izany, saingy tsy afaka miteny ireto vatamiaramila sao tsy tafiditra ho miaramila eo dia ho simba ny ho aviny. Toy izany koa amin’ny fiakarana grady, indrindra ny jeneraly, misy koa ny fitarainana, fa mandoa volabe vao tafakatra grady.

Manoloana izany dia tokony handray andraikitra ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, na ny Bianco satria tena zavadoza ho an’ny firenena ny toy izany. Mila mandray andraikitra ihany koa ny Foloalindahy rehetra hanao fivoriana mikaton-trano hanarenana ny tafika Malagasy, fa tena ho loza ny hahazo raha io resa-bola io no hanjaka ao amin’io tafika io. Ny miaramila sy zandary kely raha vao tratra mandray kolikoly dia maika ery ny lehibe milaza fa omena sazy henjana izay tratra manao kolikoly, ka ny lehibe ve dia ho avela fotsiny amin’izao?