Filoha Ravalomanana – Akaiky ny tantsaha maro an’isa hatrany

Marc Ravalomanana, mitafa mivantana tamin’ny tantsaha tany amin’ny faritra Mandridrano

Isambilo

Raha tsiahivina tany Soavinandriana faritr’Itasy ny fiandohan’ity herinandro ity ny filoha Marc Ravalomanana. Nambarany tamin’izany fa tsy laharampahamehana amin’ny mpitondra misy amin’izao fotoana ny tantsaha”. Iny diany tany amin’ny faritra Mandridrano iny dia mbola midika fa akaiky ny tantsaha maro an’isa hatrany ny filohan’ny antoko mpanohitra Marc Ravalomanana. Mitaraina ny ankamaroan’ny tantsaha any Soavinandriana Itasy, fa tsy misy ny fanohanana na ny fanampiana azy ireo. Misondrotra be ny vidim-piainana, ka na ny vidin’ny vary aza dia mila ho tsy zakan’izy ireo intsony.

Nidina tany an-toerana, ary “nahita maso izany aho”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana.
“Rehefa nojereko, hoy ity farany, ny tetibolam-panjakana amin’iny taona 2021 iny na ny LFI 2021, dia hita taratra fa mbola tsy hisy mihitsy izany fanohanana ny tantsaha izany.
Ny tetibolan’ny ministeran’ny fambolena aza nihena 12,70% be izao raha ampitahaina tamin’ny LFR 2020 teo”, araka ny fanamarihana nataony.

“Hita sy tsapa tokoa fa tsy laharampahamehan’ny mpitondra ny tantsaha, izay mandrafitra ny 70% na ny 80% ny mponina, na dia lazaina aza fa ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra no iankinan’ny fampandrosoan’ny toekarena eto amintsika.
Izany dia mijanona ho fomba fiteny ihany, fa ny voalazan’ny tetibola 2021 dia tsy manaporofo izany”, hoy hatrany i Dada.

Nahita maso ny fahasahiranan’ ireo tantsaha sy ireo vahoaka any amin’iny faritra iny aho, mino aho hoy izy, fa mitovitovy amin’izany daholo ny any amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Noho izany vao mainka aza hitombo ny fanafarana vary any ivelany, aiza ary izany ny fanohanana ireo tantsaha izay maro an’isa indrindra eto Madagasikara ?

YouTube
https://youtu.be/ImPKgRfgMqQt=80

FB
https://www.facebook.com/457946964405287/posts/1609129252620380