Antoko AREMA – Manakiana ny fifidianana loholona ihany koa

Rajo

Hatramin’ny nanombohan’ny tolo-kevitra ho amin’ny fifidianana loholona, ho tanterahina eto Madagasikara amin’ny 11 desambra 2020 ho avy izao, dia maro ireo tsy mankasitraka ny fanatanterahana io fifidianana io toy ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ) miaraka amin’ny antoko Tim, ny Hvm ary ireo Vondrona Panorama ihany koa, izay ivondronan’ ireo parlemantera.

Ny antoko Arema ihany koa dia nanamafy farany teo, fa tsy mankasitraka ny fizotry ny fifidianana nifanesy teto Madagasikara, izay karakarain’ny Ceni ary mipaka hatrany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ary izay no antony tsy nandrotsahany kandida mpifaninana amin’izany.

Miaiky ihany koa izany ity antokon’ny filoha teo aloha ity fa tsy ara-dalàna io fifidianana io, nefa dia mpanolo-tsain’ny filohan’ny repôblika ankehitriny ny amiraly Didier Ratsiraka. Midika izany, fa amboletran’ny fitondram-panjakana fotsiny ihany ity resaka fifidianana loholona ity ary mandeha ila ihany koa, satria zara raha misy kandida.

Vitsy no mba nampiditra kandida mpifaninana satria fantatr’izy ireo fa ny olon’ny fitondrana no tiany hapetraka eo amin’ny toeran’izany loholona izany eto Madagasikara.