Fanenjehana ministra – Sahiran-tsaina ny fahefana mpanatanteraka sy ireo depiote maro an’isa

Ny Valosoa

Efa ho iray volana mahery izao no nanomboka ny fivoriana ara-potoanan’ireo fahefana mpanao lalàna, ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia miasa mafy tamin’ny fanaovana tatitra sy filazana ny zava-misy tany amin’ireo vahoaka mpifidy manerana ny nosy, izay no maha depioten’i Madagasikara azy ireo. Etsy ankilany ireo depiote miankina amin’ny fitondrana kosa dia lany andro amin’ny famonoana afo, fiarovana an-jambany ny mpitondra tsy mahavaha olana, satria lasa fitaovana politika tanteraka ireo depiote ireo handotoana ireo mpifanandrina politika.

Nambara fa ny talata 24 Novambra 2020 no voatondro handinihan’ny solombavambahoaka ny mikasika ny fitoriana an’ireo minisitra tamin’ny andron’ny Hvm – Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Onitiana Realy, Reboza Julien, Anthelme Ramparany – kanefa dia tsy sahy niroso Ingahy lehiben’ny vaomiera misahana ny raharaha, fa dia niala ilany tamin’ny hoe mbola mila mandinika tsara hono, sady ilaina fenoina ny porofo fiampangana, satria aleo hono mamotsotra olo-meloka toy izay managadra olo-marina, ny dikan’izany dia mahatsapa ity solombavambahoaka ity, fa misy fitoriana tsy dia mitombina loatra fa mety fanenjehana politika fotsiny, ka hiafara amin’ny fahafaham-baraka ho an’ny fitondrana.

Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena dia nanamafy fa tsy maintsy ao anatin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity no handalo eo anoloan’ireo depiote ny mikasika ny fitoriana ireo minisitra tamin’ny fitondrana Hvm, dia ho hita eo izany, satria ho sahirana ihany ireo solombavambahoaka Ird handetika ireo minisitra Hvm, kanefa etsy andaniny ireo minisitra amin’izao fitondrana izao ,mbola maloto lavitra noho ireo teo aloha, sady mbola fery vao ka tsy afaka ambavan’ny olona ny hagaigeny, tsy ho mora ny hiaro sy hisakana azy ireo tsy ho tsaraina.

Ny talata 24 Novambra rehefa tsy raikitra ny fandinihana ny raharaha fiampangana minisitra dia lasa namonjy teny Mahazoarivo ireo solombavambahoaka Ird notarihandRamatoa Filoha, nahitana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny vola eny Tsimbazaza, nihaona tamin’Ingahy Praiminisitra, sy Ingahy Minisitry ny fitantanambola, tsy nisy nipika ny resaka tao fa ny azo antoka aloha dia resaka kitranoantrano no nihaonana, satria mahatsapa ny fahefana mpanatanteraka fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharahampirenena, sady gaboraraka ny fitantanana ny volampanjakana sy ireo fanampiana avy ivelany, noho izany dia ilain’ny mpanatanteraka ny fiarovana an-jambany avy amin’ireo depiote maro an’isa, ny tena marina dia ho sarotra amin’ireo fahefana mpanantateraka ny hiatrika ireo Depiote Tim, ka dia aleo manomana ireo Depiote Ird, hampiasa bontolo ny maha maro an’isa azy, satria efa azo antoka ny tsy fahaizany mandresy lahatra.

Ny asan’ny mpitondra mpanantanteraka ankehitriny, dia ny mitady hevitra sy fomba hanapaingorana ireo nitondra teo aloha, ka ny depiote Ird no heverin’izy ireo ho fitaovana mahomby, kanefa dia tsy tafita ilay teti-dratsy, satria mbola zava-doza noho ny nataon’ny teo aloha ny ataon’ny ankehitriny, sady ireo depiote Ird ihany koa efa tsy te hiantoka sovaly be tongotra, satria efa hita hoe mankaiza ny fitsokan’ny rivotra, efa tsy azo sakanana intsony ny vahoaka manerana an’i Madagasikara hihaona amin’ireo Parlemantera Mpanohitra sy ny Vondrona Panorama, ary ny vao mainka maha torakovitra ny mpitondra ankehitriny, dia ny fahitana ireo vahoaka marobe tonga nihoby ny Filoha Ravalomanana tany Soavinandriana, ary tsy ho latsak’ireny ny any amin’ny faritra hafa izay efa miandry azy tanteraka.